Politique

Fifidianana Loholona Antananarivo Kandida iray no fantatra hatreto


  • Alatsinainy 16 Novambra 2015

Kandida mahaleotena iray avy amin’ny fikambanana MASA na Malagasy

 

Sambatra no nametraka ny taratasy firotsahany hofidiana Loholona ho an’ny faritanin’Antananarivo amin’ny 29 desambra ho avy izao. Omaly hariva tokony ho tamin’ny efatra latsaka fahefany no nahatongavany teny amin’ny biraon’ny OVEC Analamanga nametraka ny taratasy filatsahany. Ny hany fantatra koa hatreto dia anio tolakandro ny Tiako I Madagasikara no hanatitra ny lisitr’ireo kandida amin’ny anaran’ny antoko eny amin’ny OVEC, ary dia hiaraka hanao izany ny TIM isaky ny Faritany.

Teo amin’ireo tonga naka ny taratasy filatsahana kosa dia efa nahatratra 110 ny naka izany tao amin’ny OVEC Analamanga hatramin’ny omaly hariva. Tsy hilatsaka hofidiana eto Antananarivo avokoa ireo fa misy any amin’ny faritany koa. Voamarika kosa fa ny 80%-n’ny maka taratasy filatsahana eny Nanisana dia mahaleotena avokoa.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT