Fifidianana lazaina fa tomombana

Hangatahana tsipaipaika amin’ny orinasa eny amin’ny fokontany


  • Talata 14 Novambra 2023

Tsy tonga ve ny famatsiam-bola ny fifidianana? Firy isan-jato ny taha-pankatoavan’ny

sehatra iraisampirenena izao fifidianana kasaina atao letrezana eto Madagasikara amin’ny 16 novambra izao? Isan’ireo fanontaniana manitikitika indrindra ny maro manoloana ireo zava-nisy tsikaritra omaly ireo. Hangatahana tsipaipaika amin’ny orinasa eny amin’ny fokontany ny fifidianana lazaina fa tomombana, raha ny taratasy hita teny anivona fokontany iray. Nahatratra 1 tapitrisa Ariary moa ny totaliben’izany, raha ny voasoratra hatrany. Tetsy ankilany, ankoatran’izay dia niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ihany koa ny taratasy fiantsoana ireo mpampianatra hanotrona ny propagandin’ny heverina fa kandidam-panjakana, Andry Rajoelina, eny anivon’ireo oniversitem-panjakana ary soniavin’ny talen-tsekoly mihitsy. Teo koa ny resaka fitandrohana fanapahana ny karaman’ireo mpitari-tolona sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT