Fifidianana kitoatoa

Hatrany am-pamoahana vokatra mbola miseho ihany


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Efa hatrany am-piandohana no efa voatsikeran’ireo tekinisianina ny tsy fahatomombanan’ny rindram-baiko

ampiasain’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Voalaza tamin’izany fa fara faha keliny hatrany amin’ny 300.000 isa any ho any ny isana mpifidy ho very anatin’izany. Iny tokoa ary fa nitabataba sy nitroatra, 1 andro nialohan’ny namoahana ny vokatra vonjimaikan’ny CENI tetsy Alarobia, ny kandida laharana faha 13, Siteny Randrianasoloniaiko, sy ny ekipany fa nahita fa tsy mitovy ny fampitahana ireo raki-tsoratra na PV eo am-pelan-tanan’izy ireo sy ny an’ny CENI. Hatrany am-pamoahana vokatra mbola miseho ihany ny sabotsy teo fa fifidianana kitoatoa no tontosa teto amin’ny firenena tamin’iny 16 novambra iny. Elanelam-batona mpifidy manodidina ny 29.000 isa eo no niseho teny amin’ny fafana, ohatra, fa samy 6,67%. Hita izany tamin’ny vato azon’ny kandida ho filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery izay voalaza fa nahazo vato miisa 40.537 sy Ratsietison Jean Jacques izay nahazo vato miisa 1845 monja. Samy nambara ho nahazo salan’isa 6,67% nefa izy mirahalahy ireo tao Mahajanga na dia toy io aza ny elanelam-bato voalaza. Isan’ny hita ho nireharehan’ny pejin’ny kandida laharana faha 3, izay voalaza ho lany fiodinana voalohany tao anatin’ity fifidianana filoham-pirenena “mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona” ity anefa izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT