Fifidianana

Kaominina maherin’ny 400 mbola tsy nisy kandida


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Teo amin’ny 2 444 ny dosien’ireo lisitra kandida mirotsaka hofidiana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

hatramin’ny omaly, raha ny antontan’isa avy amin’ny CENI. Kaominina 1281 amin’ny 1695 no nisy firotsahan-kofidiana, izany hoe : mbola nisy 414 ireo kaominina tsy nisy kandida omaly efa 72 ora tsy hikatonan’ny fandrasana antontan-taratasy. Mbola ny 109 distrika tamin’ny 120 ihany koa no nisy firotsahan-kofidiana, izany hoe : distrika 11 ahitana kaominina 414 no tsy mbola nisy kandida. Mitsinjara toy izao ireo firotsahan-kofidiana miisa : 2 444 : ny 1048 kandida tsy miankina manome salan’isa 42,8%, ny 433 izay manome 17,7% avy amin’ny antoko politika, 963 na 90,4% avy amin’ny vovonana politika. Andrasana hatramin’ny rahampitso izay fe-potoana farany ny antontan’isa ofisialy satria mateti-pitranga amin’ny fifidianana eto amintsika ny fiandrasana ora farany. Amin’ny endriny iray, dia mety ho kajy politika manao tazan-davitra an’izay mandrotsaka antontan-taratasy, fa eo ihany koa ny fahasarotana samihafa ara-taratasy. Raha voatazona ilay fe-potoana farany tamin’ny 19 septambra dia kaominina teo amin’ny 228 tamin’ny distrika 56 ihany no nisy fifidianana. Tsy hisy intsony kosa ny fanalavam-potoana aorian’ny rahampitso 26 septambra, fa izay lisitra kandida voaray eo izany no hifaninana. Ahiana ihany koa aza ny mbola hisian’ny kandida tsy feno tanteraka ny antontan-taratasy amin’ireo efa nanatitra, ary tsy afaka misitraka ilay 48ora hafahana mameno izany raha avoakan’ny OVEC fa misy ny tsy fahafenoana raha vao miandry ora farany. Raha toa ka voatsipaky ny OVEC kosa ny firotsahana dia afaka mampiakatra eny amin’ny CENI, ary mbola tsy mahazo rariny eny, dia afaka mampiakatra eny amin’ny filankevi-panjakana. Andrasana hatramin’ny rahampitso izany ny antontan’isa farany saingy isan’ny mbola mampanahy hatrany ny endrika fanasarotana izay toa nentina nanomezana vahana kandidam-panjakana. Ahiana ny hisiana kaominina maro tsy zara raha hisy kandida tokana, na sarintsarina kandida sy endriketrika fifaninana, mba hanehoana fotsiny hoe : nisy fifidianana. Fanontaniana mipetraka mandrak’androany ny hoe : feno sy ara-dalàna ary tsy mba nandalo fahasarotana tokoa izany ny kandidam-panjakana fa nanara-dalàna daholo fa ny tsy miankina sy ny mpanohitra ihany no sahirana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT