Politique

Fifidianana kaominaly sy Loholona Amboamboarina amin’ny itiavana azy


  • Alakamisy 19 Novambra 2015


 

Miharatsy tarehy eo imason’ny mpamatsy vola hatrany ny fanjakana malagasy.

Vao ny alarobia 11 novambra lasa teo no nodokadokafan’ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina nandritra ny dinika politika niarahana tamin’ny mpitondra fanjakana malagasy ny fahavitan’ny fifidianana kaominaly sy ny fikarakarana ny fifidianana Loholona izay antoky ny fahamarinan-toeran’ny demokrasia dia indro fa miseho avokoa izao tantara mahamenatra tsy fampiseho masoandro rehetra izao. Singanina amin’izany ny fifidianana Ben’ny tanàna tao amin’ny Kaominin’i Vineta Andamasiny, Distrikan’i Sakaraha izay nahitana fifanoheran-kevitra teo amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana sy ny Conseil d’Etat momba ny fanapahan-kevitra amin’ny famerenana ny fifidianana izay nandaniam-bola amin’ny tsy nisy dikany sy ny filalaovana ny safidim-bahoaka. Rehefa tsinjo fa ho resin’ny MAPAR ny HVM tamin’ny fifidianana naverina dia avoaka indray andro alohan’ny hamoahana ny vokatra vonjimaika avy amin’ny CENI-T fa manan-kery indray ny vokatry ny fifidianana voalohany tamin’ny 31 jolay 2015, izay nitaritan’ny HVM tao Vineta na dia hita izao aza araka ny fanapahan-kevitry ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana fa mitombina ny fitoriana nataon’ny antoko MTS izay tsy nahazo ny fitaovana (bulletin specimen) tokony hanaovany fampielezan-kevitra nandritra ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna. Lasa didy fakan-tahaka (Jurisprudence) izany manomboka izao fa tsy mampiova ny fifidianana na dia misy amin’ny mpandray anjara aza no tsy voahaja ny zony alohan’ny fandatsaham-bato. Dia izay no fifidianana tsara karakara sy mendri-pitokisana imatesan-kambo amin’ny mpamatsy vola vahiny. Mbola eo ihany koa ambonin’izay ny fikasana hampifidy ireo Ben’ny tanàna 150 amin’ny fifidianana Loholona. Ben’ny tanàna izay mbola miandry ihany koa ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana ny momba ny maha marin-toerana azy. Manginy fotsiny ny nampitoviana ny isan’ny Biraom-pifidianana amin’ny isan’ny Kaominina amin’ny fifidianana Loholona, mba hanaraha-maso ny safidin’ireo mpifidy vaventy.

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT