Hiatrika ny safidim-bahoaka amin’ity zoma 13 novambra ity ireo kandida Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina amin’ireo Kaominina miisa 19 manerana ny Nosy.
Famerenana fifidianana no hatao anio, noho ny lesoka sy tsy fahatomombanana ary hosoka nitranga tamin’ny fifidianana niarahana tamin’ny besinimaro natao tamin’ny 31 jolay 2015. Soa fa Malagasy isika, fa raha Frantsay angamba mety tsy hanaiky ny hanaovana an’ity fifidianana ity amin’ny andro zoma 13 novambra na «vendredi 13» sokajian-dry zareo ho andro ratsy.
Nizotra tamim-pilaminana ny fampielezan-kevitra nandritra ny telo herinandro, nanomboka ofisialy ny 29 oktobra tamin’ny 6 ora maraina ary nifarana omaly alakamisy 12 novambra tamin’ny 6 ora maraina. Ny latsa-bato no hatao anio, fa ny fanontaniana manitikitika ny mpifidy amin’ireo Kaominina miisa 19 voakasik’ity famerenana fifidianana ity dia hoe : ho anisan’ireo mpifidy vaventy hifidy ireo Senatera amin’ny 29 desambra 2015 ve ireo Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina hofidiana amin’ireo Kaominina ireo sa tsia ? Raha arahina mantsy ny tetiandro famoahana ny vokatra vonjimaika ataon’ny CENI-T sy vokatra ofisialin’ny fifidianana hataon’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana, dia azo antoka fa tsy hahatratra io fifidianana Loholoha io ny fivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy amin’ireo Kaominina ireo, izay azo adika tsotra fa hisy olom-pirenena verezin-jo indray eto.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.