Fifidianana ho avy ao Alakamisy Fenoarivo

Niantso ny depiote hahay hanavaka ny vary sy ny tsiparifary ny TIM


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Ambohipihaonan’ny mpikatroka TIM ao anatin’ny Kaominina Alakamisy omaly alahady 14 jolay.

Tafiditra tao anatin’ny fisaorana sy fankatelemena ny vahoaka tamin’ny fifidianana depiote ihany koa. Fotoana natrehan’ny depiote Voahangy Raharimanarivo sy ny lisitra faharoa Rado Raparaoelina, izay ny tao an-toerana no notsidihany voalohany taorian’ny fahalaniany, ary nanaovany tatitra tamin’ny vahoaka ihany koa. Fandresena 68% be izao no azo tao amin’ity kaominina ity, ka poa-droa raha tao ihany ny fifidianana. Hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna indray atsy ho atsy, ary efa niomana hatry ny ela izy ireo. « Efa misy olona vonona sy ankasitrahan’ny mpikatroka TIM ho kandida ben’ny tanàna amin’ny fifidianana manaraka eo, ka mino izahay, fa hahay hanavaka ny vary sy tsiparifary ianao Rtoa Depiote », hoy ny mpikatroka TIM nahitana ny solontenan’ny tanora, ny vehivavy, fa indrindra ireo Raiamandreny nosoloan’i Dadadezy izay mpikatroka hatramin’ny 2003. Tsy mijanona eo, fa manetsabe mbola be ny ho avy, ka tsy hikely soroka amin’ny dingana manaraka, hoy Atoa Rasolonirina Mendrika, manam-pahaizana vato nasondrotry ny tany, mpampianatra eny amin’ny Anjerimanantolo izay nitarika sy nandrindra ny TIM teny Alakamisy Fenoariavo, nahitana izao vokatra izao. Nibatana fandresena avokoa ny fokontany 5 sy ny Birao fandatsaham-bato maro, ary mbola ho izay ny sary inoana fa hitranga amin’ny fifidianana ben’ny tanàna, raha ny fanambin’ny TIM ao an-toerana. Naneho fisaorana teo anatrehan’ny tsy fikelezan’ny mpikatroka aina tamin’ny propagandy ny depiote Voahangy Rahamarimanarivo, izay naneho fa poa-droa raha toy ny tao Alakamisy Fenoarivo avokoa, saingy nisy ny hala-bato, ary iny fifidianana naloto indrindra, fa tafavoaka ihany. Momba ny fifidianana ben’ny tanàna, niantso fifanatonana sy fifandresen-dahatra, mba tsy hizarazara hanome làlana ny hafa ny tenany. Raha efa manao izay mety ianareo ka tsy mety ilay olona dia inona moa no atao, fa safidy io, fa efa niala nenina, hoy ity depiote ity. Anjaranareo ety ifotony no mahalala, ianareo no mahalala izay tokony ho lany, ka apetraka aminareo ny fanapahan-kevitra, ary hoentina any amin’ny rafitry ny antoko, hoy ny Depiote Voahangy Raharimanarivo. Nilaza rahateo moa Atoa Marc Ravalomanana ny 06 jolay teo nandritra ny fankalazana ny faha-22 taonan’ny TIM, fa tokony hiainga avy eny ifotony sy avy amin’ny depiote ny kandida, fa tsy hoe : izay manao dingan-dava makany aminy.
Toky R

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT