Hafampana ny fifidianana amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara, indrindra fa any amin’ireo renivohi-paritany miisa 6.
Ho an’Antananarivo Renivohitra izay isan’ny stratejika indrindra ary lasa ivon’ny fifandonana politika ankehitriny, dia io iaraha-mahita io ny efa endriky ny fifanandrinana eo amin’ireo vondron-kery roa izay efa hiditra 20 taona nifanjevo sy nifamelona ara-politika, saingy tsy mety vita mandrak’androany. Mbola tsy misy fantatra ofisialy ny kandida hifaninana, saingy andrasana ato anatin’ny 48 ora farany hahafaha-mandrotsaka ny antontan-taratasy ny mety ho endriny sy ny zavatra mety tsy hampoizina hoe : iza avy marina no handray anjara amin’ny hazakazaka ? Mbola hifandimbiasan’ireo hery mpifanandrina roa mpifanandrina efo ho 20 taona sa hiova fijery hamadika ny pejy Antananarivo manomboka eto? Manan-danja ary manana ny toerany ara-politika sy ara-toekerana Antananarivo, ary ny mety ho nanahirana hatramin’izay dia mety variana loatra tany amin’ny kajy politika sy nanao izay hahazoana ny fahefana no nahamaika, ka somary adinodino ilay fanajariana sy fampandrosoana tena izy ho an’ny Renivohitra izay fitaratry ny firenena, nampian’ny fifampikana ranjo samihafa noho ny kajy politika. Rehefa mpanohitra no teo dia nandeha ny endrika antsojay samihafa raha tsy hilaza afatsy ny fako politika, efa nisy ihany koa vao farany teo ny hoe : mitovy firehana politika tamin’ny mpitondra ny ben’ny tanàna, saingy tsy arakaraka izay fa io iaraha-mahita io ny zava-miseho, voasokajy ho tanàn-dehibe maloto indrindra aty Afrika sy fahatelo maneran-tany,… Tsy Antananarivo anefa no tsy azo ampandrosoina, fa ny finiavana no mety mila ampiana, ny fiaraha-mientana no mila hamafisina, ny fanabeazana ny vahoaka ho olom-pirenena mandray andraikitra no mila ampitomboina,… Andrasana ireo kandida dia ny vahoaka no hitsara hoe : iza no afaka hametraka an’izay ? Heverina fa tena hafana ny fifidianana eo, ary mety ho kihon-dàlana lehibe. Raha ny lojikan’ilay fifidianana solombavambahoaka farany teo aloha, dia sarotsarotra ho an’ny Antokom-panjakana ny hahazo an’Antananarivo, eny fa na ireo renivohi-paritany hafa aza.
SAROTRA HO AN’NY ANTOKON’NY FITONDRANA
Ny 5 tamin’ny 6 dia tsy ny volomboasary no nibata ny lohalaharana tamin’ny fifidianana depiote, ary mbola lojika izay amin’ity. Na izany aza, tena miketrika ny fitondrana ary hanao izay fomba rehetra hahazoana an’ireo. Saika nahitana olana avokoa ireo kandida sokajiana mpanohitra na tsy dia mpiray vilia amin’ny fitondrana tamin’ireo Renivohi-paritany. Ny tany Toamasina, efa sarotsarotra vao nahazo ilay 211Bis ny kandida Roland Ratsiraka. Ity farany izay nitana ny laharana voalohany tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ary manana herijika ho lany. Efa kandida ben’ny tanàna tao anefa izy ny taona 2019, izay niady sy nilaza fa nangala-bato ny volomboasary ka asa hanao ahoana amin’ity ? Ny any Antsiranana dia iny nivoaka taorian’ny fametrahana antontan-taratasy iny ny fanamelohana higadra 5 taona sazy mihatra arahina lamandy ho an’ny ben’ny tanàna am-perinasa Atoa Dzavojozara Jean Luc, izay isan’ny andrandrain’ny vahoakan’Antsiranana noho ny fampandrosoana nentiny. Mbola afaka manao fampiakarana ka asa hanao ahoana ? Ny any Mahajanga, io tratry ny endrika ady an-trano io ny vovonana Firaisankina eo anatrehan’ny firotsahan’Atoa Rivo Rakotovao izay notoherin’ny Depiote Afakandro Christian, fa teo ihany koa ny fanamelohana sazy mihantona 5 taona an’Atoa Patrick Raharimanana izay mbola afaka manao fampiakarana ihany koa, saingy heverina fa efa kapa vavaranjo politika. Ny tany Toliara nisy fisamborana olona izay voalaza fa saika hatolotra kandida, kinanjo nipirina avy eo,… Efa taratra sahady ireny fa hafampana ny fifidianana ho avy ka asa hanao ahoana izy ity ? Hahavita hanatsimbadika ny sary niseho tamin’ny fifidianana depiote izay naha resy azy tamin’ny tanàn-dehibe ve ny fitondrana eo anatrehan’ny endrika tsy fahombiazana samihafa ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.