Hita ho tena dodona sy maika ny hiala amin’ny krizy lalina iainany ny vahoaka malagasy raha ny zava-nisy omaly zoma 20 desambra 2013 teny amin’ireo birao fandatsaham-bato maro manerana ny renivohitra no resahana.
Vao maraina manko dia efa tsikaritra ireo filaharana manoloana ireo birao fandatsaham-bato ireo. Tonga nijery sy nanamarina ny anarany tamin’ny lisi-pifidianana fanampiny ireo izay noverezin-jo. Tsy latsa-danja nampihatra ny zo ahafahana mifidy ihany koa ireo izay efa naneho ny safidiny tamin’ny 25 oktobra 2013 tonga nanatanteraka ity adidy masina hoan’ny hoavin’ny firenena ity. Azo ambara fa tena nazoto nanatanteraka ny andraikitra nandrasana taminy ireo mpifidy tamin’ny ankapobeny ka inoana fa hitombo ny salan’isam-pahavitrihana mihoatra ny tamin’ny fihodinana voalohany. Manodidina ny 8 tapitrisa eo moa no isan’ireo mpifidy manerana ny nosy taorian’ny fanoratana ireo anarana tamin’ny lisi-pifidianana fanampiny. Ny faritra Analamanga moa no ahitana olom-pirenena be mpifidy indrindra izay mahatratra 1.540.565. Antenaina fa tsy andraraka ilo ambian-doha fa tena ho sahy sy hampiseho ny mahamatihanina azy amin’ny famoahana ny tena safidim-bahoaka marina amin’ny voka-pifidianana izay avoakany ihany koa ireo rafitra miandraikitra izany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.