Fifidianana Filohan’ny Kaomisionin’ny UA

Tratry ny sotro ranon’alika Rajaonarimampianina…


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Notsipahan-dRajoelina hatramin’ny farany ny firotsahan’i Hery Rajaonarimampianina ho Filohan’ny

Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina, hatao ny febroary 2025. Nanaovan’ny Fitondrana Rajoelina sotroranon’alika araka ilay fomba fiteny ka tsy hetaheta fa sotasota. Tao anatin’ny herintaona no efa nivoaka ny vaovao samihafa mikasika ny fahavononan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina handray io toerana io, ary hatramin’ny fampahalalam-baovao vahiny samihafa no nilaza fa tsara toerana ity farany satria tohanan’ireo Filoha sy olobe Afrikanina maro. Ity farany izay efa notendren’ny Vondrona Afrikanina tamina iraka iraisam-pirenena samihafa toy ny naha filohan’ny MOEUA (Mission d’Observation Electorale) tamin’ny fifidianana tany Togo ny febroary 2020. Tsy nety namoaka hatramin’ny farany ny fanohanana na « parrainage » anefa ny Fanjakana Rajoelina. Tany aloha, dia nisy mihitsy ny resaka fa hanohana kandida vahiny hafa, saingy ny 6 aogositra teo dia nandrotsaka an’Atoa Richard Randriamandranto ho kandida. Ity farany izay tsiahivina fa efa minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola, lasa minisitry ny raharaham-bahiny, saingy nesorina rehefa nolazaina fa nandray fanapahan-kevitra tamin’ny anaran’ny tenany manokana rehefa nanao latsa-bato mikasika ny raharaha ady any Ukraine. Manana herijika kokoa noho ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ve ny Minisitra teo aloha Richard Randriamandranto ? « Tombotsoan’ilay Firenena hoe : ianao Malagasy no mitantana ny Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina ? Valifaty sy lonilony ara-politika no mibaiko. Mety hisy hiteny fa angaha rehefa tsy ny anareo dia tsy mety. Ny Firenena maro mametraka fa ny Firenena aloha hoe : iza no manana herijika afaka hitondra ambony ny tombotsoam-pirenena sy hiaro ny tombotsoantsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy Atoa Rivo Rakotovao omaly tamin’ny fahitalavitra iray, ka nanamafisany fa kolontsain’ny valifaty no misy
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT