Politique

Fifidianana filoham-pirenena Mihetsiketsika i Danny Rasolofomanana


  • Talata 28 Febroary 2023

Ny fanombanan’ny mpanara-baovao azy dia miomankomana, mihetsiketsika ary heverina fa mety ho ilay olom-baovao hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena ny mpanefoefo,

mpandraharaha amin’ny sehatry ny vato no sady mpanamory fiaramanidina, Danny Rasolofomanana. Tsikaritra amin’ny fanehoan-keviny ny tsy fahafaliany manoloana ny manjo ireo mpandraharaha amin’izay sehatry ny vato izany, na vato sarobidy io na vato fampiasa amin’ny sehatra hafa. Olon’ny fidinana ifotony izy, raha ny famaritan’ireo mpanaraka azy. 18 taona no nanomboka nitady vao vita fianarana ka nisehatra tamin’ny varotra na “agent commercial”. 47 taona ny lehilahy ankehitriny. Ankoatran’ny efa voalaza teo dia manana fiaramanidina azy manokana ihany koa ny tenany ary filohan’ny fivondronan’ireo mpandraharaha ara-bato ho an’ny fampandrosoana an’I Madagasikara na Groupement des Opérateurs Miniers pour le Développement de Madagascar (GOMDM). Efa avy nanao asana mpanentana, mpaka sary anaty lanonana, nanaraka fiofanana ara-miaramila na G6, mpitily mahay na “tireur d’élite”, mpanety, mpitondra fiara fitateram-bahoaka mampifandray an’Antananarivo sy Ambilobe ary nanao asa maro hafa ihany koa ankoatran’ireo, raha ny angom-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT