Fifidianana filoham-pirenena

Laharana voalohany i Tahina Razafinjoelina


  • Talata 12 Septambra 2023

Notanterahina omaly tetsy amin’ny Foiben’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI etsy Alarobia

ny antsapaka mikasika ny filaharan’ireo kandida ho Filoham-pirenena miisa 13 izay nankatoavin’ny HCC. Io filaharana io no mamaritra ny laharan’ny kandida tsirairay ao anatin’ny bileta tokana sy ny fandraisam-pitenenanana eo anivon’ny haino aman-jerim-panjakana mandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra, izay hanomboka any amin’ny 09 oktobra izao. Tahaka izao ny filaharan’ireo kandida, araka ny antsapaka vita omaly: 1-Tahina Razafinjoelina; 2-Hajo Andrianainarivelo; 3-Andry Rajoelina; 4-Roland Ratsiraka; 5-Marc Ravalomanana; 6-Paraina Auguste; 7-Andry Raobelina; 8-Brunelle Razafitsiandraofa; 9-Lalaina Ratsirahonana; 10-Hery Rajaonarimampianina; 11- Sendrison Raderanirina; 12-Jean Jacques Ratsietison; 13-Siteny Randrianasoloniaiko. Ny kandidan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na ny FTT Tahina Razafinjoelina izany no laharana voalohany. Izy izay tsiahivina fa ny 04 septambra teo no nametraka ny antontan-taratasy feno, ary manamafy hatrany ny fahavonany hitondra rivo-baovao ho an’ny Malagasy miainga amin’ireo vinany dia ny fampianarana mitodika amin’I Madagasikara, fitsinjarana ara-bola, ary ny Madagasikara nomerika. Kandida izay Malagasy 100% no manohana ara-bola noho ny fiaraha-miombon’antoka am-polo taonany, ka nampitoviana fomba fijery sy nanapahan-kevitra handray andraikitra ho an’ny firenena satria efa tena masaka ara-poto-kevitra ary efa nanomboka ny vina sy programan’asa tamin’ny alalan’ny asa maro, toy ny “fianarana mahatafita” ka tanora tsy tambo isaina no efa misandrahaka sy mivelatra eto an-toerana sy maneran-tany. Tafiditra ao anatin’ny làlan-tsaina entiny rahateo ny hoe: mila mifanampy isika samy Malagasy fa tsy mifaninana, ary mila homen-danja ny mpandraharaha Malagasy amin’ny alalan’ilay hoe: “Malagasy empowerment” satria isika samy isika aloha no tokony ho lohalaharana hifamelona sy hamorona harena ho an’ny firenena, izay tsy midika fa tsy fitiavana vahiny. Resahany matetika rahateo ny hoe: “Miara-dia vao mandresy, fa tsy mandresy vao miara-dia”. Mpampianatra ary misehatra amin’ny fampianarana eto sy maneran-tany I Tahina Razafinjoelina, mpandraharaha amin’ny sehatra maro toy fampianarana, haino aman-jery, fambolena,… ary efa tompon’andraikitra ambony teo amin’ny Minisiteran’ny vola sy ny Minisiteran’ny fanabezana, ka nahita ny zava-misy sy ny vahaolana sy ny vahaolana amin’izany hoenti-mampandroso ny firenena. Manamafy hatrany ny fahavonany ny kandidan’ny FTT, ary fanamby goavana ny hitazona io laharana voalohany io hatramin’ny farany, hahafahana manohy ny vina sy ny asa efa natomboka hipaka bebe kokoa amin’ny firenena.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT