Politique

Fifidianana Filoham-pirenena Kandida i Siteny, tsy hanao valifaty politika


  • Zoma 01 Septambra 2023

Nanapa-kevitra ny hirotsaka ho kandida filoham-pirenena amin’ny fifidianana filoham-pirenena i Siteny Randrianasoloniaiko

raha ny fanambarana nataony tao amin’ny sekoly Sacrée Cœur Toliara omaly 31 aogositra. Tsy mankasitraka ny tetezamita izy satria tsy manaja ny lalam-panorenana izany ary vao maika mandetika ny harin-karen’ny firenena, hoy ny nambarany. Nohamafisiny tao anatin’izany fanambarana izay fa tsy hanao valifaty politika izy ka izy mihitsy no hampihavana an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana raha ny resany omaly. Tamin’ny efatra ora tolakandro no nigadona tao amin’ny sekoly Sacrée Coeur Toliara ny solombavambahoaka ary natomboka tamin’ny fampahafantarana ireo olomanan-kaja sy Raiamandreny be any an-toerana ny lanonana, taorian’izay no niroso tamin’ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fahavononany ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny 9 novambra ho avy izao i Siteny Randrianasoloniaiko. Nohamafisiny tao anatin’izany fanambarana izany fa maro ireo mpanao politika maniry ny hisian’ny tetezamita ka tsy hisian’ny fifidianana, vao maika mandatsaka an-katerana ny firenena anefa izany hoy izy.

MIFANARAKA AMIN'NY SOATOAVINA MALAGASY
Manana vina i Siteny Randrianasoloniaiko raha ny nambarany satria tsy maintsy miorina ambony fototra matanjaka ny fanjakana raha tiana ny hisian’ny fanjakana tsara tantana mifanaraka amin’ny soatovina malagasy, isan’izany ny lafin’ny fandriampahalemana, ny fanamboarana fotodrfitr’asa amin’ny laharam-pahamehana , ny ady amin’ny kolikoly ny lafin’ny fambolena ihany koa.Ny Fitsinjaram-pahefana no tena imatimatesany ary anatin’izany ny fanomezana faritra sy kaominina ka ampiakaranina ho 800 tapitrisa ariary ny tetibola nasionaly isaky ny kaominina.

TSY HANAO VALIFATY POLITIKA
Nambaran’i Siteny Randrianasoloniaiko tao anatin’ny fanambarany ihany koa fa hovotsorana avokoa ireo rehetra gadra politika ary ampidirina ho ara-dalàna avokoa ireo haino aman-jery nihidy noho ny resaka politika, ho atao laharam-pahamehana ihany koa ny fodian’ireo nitsoaka noho ny fanenjehana ara-politika ary isany goavna ao anatin’izany ny nanamafisany fa tsy hanao valifaty politika ny tenany raha tonga eo amin’ny fitondrana.
Nangonin'i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT