Politique

Fifidianana filoham-pirenena Hijabaka ihany koa i Saraha Rabeharisoa


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Tapaka nandritra ny famaranana ny kongresy voalohan’ny antoko P.L.D (Paika sy Lamina ho an`ny Daholobe) fa hanolotra an-dRamatoa Saraha Rabeharisoa ho kandida filoham-pirenena. Hametraka fanamby goavana hametrahana indray ny Liberal Democrate ho tombontsoan`ny Malagasy ny PLD.

Mila politikan`ny fitantanana ao anatin`ny fahamarinana i Madagasikara, hoy ny filoha nasionalin`ny antoko, Rtoa Rabeharisoa Saraha, nandritra ny kabary lahateniny. Tetikasa sy tolo-kevitra lehibe miisa 4 no aroson`ny antoko amin`ny fanarenana ny firenena ary tanjona ny hampihena ny elanelana eo amin`ny mpanankarena sy ny mahantra eto Madagasikara amin`ny famoronana sy fanohanana ny orinasa eto an-toerana amin`ny alalan`ny fampandrosoana ny toekarena. Manainga ny Malagasy rehetra manerana ny nosy hiara-kamindra sy hiara-kilanja hanatanteraka ny Drafitra hentitra ho fanarenana ny firenena.

Samy te ho filoha

Efa maro ireo izay milaza fa hirotsaka hofidiana amin'ny fifidianana izay hotanterahana amin'ny ity taona ity ary sesilany tato ho ato ireo fanambarana ho kandidà filoham-pirenena. Firy sy firy moa ireo kandidà mody milatsaka anefa ny kajy dia mba hotendrena ho mpikambana ao anatin`ny governemantan`ny fisokafana. Tsy vitan`izany fa misy ireo kandidà mibata vokatra 1 sy 2 isan-jato ary tsy ampy nisaina tamin’ny ratsan-tanana ilany akory ireo nahazo nihoatra ny 10 isan-jato. Raha tsiahivina, 4,30% ny vato azon`i Saraha Rabeharisoa tamin`ny fifidianana 2013 kanefa izao indray dia hijabaka te ho filoha. Lasa ihany anefa ny eritreritra hoe inona no tena antony mahatonga ny olon-tsotra hanao politika, ary avy eo milatsaka ho filoham-pirenena ? Tena toerana sy andraikitra sarotra mantsy izany ary mitontona ao aminy avokoa ny alahelom-bahoaka rehetra miampy ozona sy fiantsoana tody. Hatreto dia vitsy ireo kandidà maharesy lahatra ary misy amin`izy ireo no milaza fa olom-baovao kanefa manao politikan`ny goaika antitra ihany. Tena mahatsikaiky tokoa fa toa ataon`ny mpanao politika  andrankandrana sy kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT