Politique

Fifidianana filoham-pirenena 2018 Tsy mety amin’ny firaisankinam-pirenena, hoy i Faly Ramakavelo


  • Alarobia 02 Mey 2018

Tsy maintsy atao ny fanovana tanteraka ny lalàmpanorenana eto Madagasikara, hoy ny mpahay toekarena sy fiarahamonina, Faly Ramakavelo, raha nanazava ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

Loza ho an’ny firaisankinam-pirenena raha amin’ity taona ity no hanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Mivangongo loatra eo amin’ny filoham-pirenena ny fahefana kanefa tsy hitombina mihitsy hoe tany midadasika be toa an’i Madagasikara dia hotantanina olona iray. I Maorisy aza nosy kely mitovy habe amin’ny distrikan’i Miarinarivo mbola ambony noho ny eto ny harinkarena faobeny. Raha avela hanana fahaleovantena daholo izany ireo distrika 119 eto dia ho avo 100 heny amin’ny an’ny Maorisianina ny harinkarentsika. Mila fidiana aloha ny solontena isam-pokontany dia ireo indray avy eo no mifidy depiote. Mialoha izay dia mila ravana aloha ny antenimieram-pirenena. Mila manana solontena ao amin’ny antenimieram-pirenena avy eo ny eny amin’ny fokontany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT