Politique

Fifidianana filoha amin’ny 2018 Atao mpifidy lehibe ?


  • Alatsinainy 04 Janoary 2016

Azo atao hoe efa feno ny vokatra tamin’ny fifidianana loholona notanterahana ny 29 desambra lasa teo ary tsy misy ny fahagagana fa dia mandresy amin’ny fomba mazava amin’ny

 

faritany rehetra ny antoko HVM.Ho an’Antananarivo ohatra dia mitarika ny HVM (68,99%) faharoa ny TIM (17,17%).Any Toamasina indray HVM (64,31%) ny TIM (16,27%), any Toliara kosa HVM (68,24%) Miara-dia (7,68%), ho an’ny tao fianarantsoa HVM (68,34%) Fanorolahy (9,92%) ; ho an’ny tao Mahajanga HVM (60,85%) ary ny Mapar (23,41%), ny farany tany Antsiranana dia laharana voalohany hatrany ny HVM (64,42%) ary ny Leader Fanilo (19,26%).Hatreto izany aloha dia antoko 3 : ny HVM, TIM ary Mapar no azo sokajiana ho antoko lehibe ary mahatafiditra ny olony foana isaky ny misy fifidianana ; tsara ny mitadidy fa nahatafiditra ben’ny tanàna 812 ny HVM, 216 ny TIM ary 108 ny Mapar.Efa somary hita taratra amin’izao sahady no ho endriky ny fifidianana amin’ny 2018 raha hifidy ny filoham-pirenena indray ny Malagasy ; manomboka mivoaka ihany koa ny feo ankehitriny fa mety ho mpifidy lehibe na komitin’ny mpifidy no hifidy ny filoham-pirenena afaka roa taona sy tapany fa tsy ny vahoaka mivantana intsony tahaka ny nahazatra teto Madagasikara hatramin’izay.Raha toa ka io resaka mpifidy lehibe io tokoa no ampiharina amin’ny 2018 dia tsy misy adihevitra fa ny kandida atolotry ny HVM no ho lany amin’ny isam-bato mazava satria izy no manana ny maro an’isa amin’ireo mety ho mpifidy lehibe dia ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsain’ny tanàna, ny loholona, ny solombavambahoaka ary raha mbola misy fananganana ny filan-kevim-paritra ihany koa aza dia azo antoka fa handrombaka toerana maro ao anatin’izany ny antokon’ny fitondrana.Mihintsana sy resy ho azy ireo kandida tsy HVM heverina fa mety handresy amin’ny fifidianana handraisan’ny vahoaka anjara mivantana raha io rafitra mpifidy lehibe io tokoa no ampiharina amin’ny 2018.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT