Tafakatra 303.277 ny isan’ny vato maty sy tsy manankery nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany natao ny 25 oktobra lasa teo, izany hoe 6,28%-n’ny vato manankery. 9.971 (0,22%) anefa ny isam-bato ambany indrindra azon’ny kandida iray tamin’ireo 33 nifaninana. Tsy azo tsinontsinoavina io vato maty sy tsy manankery io, izay maro ny antony azo andikana azy. Mety tsy mbola amin’ireo 33 ireo ilay filoha tian’ireo ampahan’olona ireo hitondra an’i Madagasikara, nefa mety koa ho taratry ny tsy mbola fahafehezan’ny Malagasy ny fampiasana ilay bileta tokana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.