Fifidianana fihodinana faharoa

> Hahatratra 76% ny salan’isam-pahavitrihana ?


  • Alarobia 20 Novambra 2013

Taorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany notanterahana ny zoma 25 oktobra 2013 lasa teo izay nahitana lesoka ka tsy nahafahan’ireo olom-pirenena manodidina ny 3 tapitrisa naneho ny safidiny dia efa nisy ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra ny hijerena manokana ny lisi-pifidianana mba hampidirina ireo anaran’olona izay latsaka sy tsy tafiditra nandritra ny fanoratana anarana tao anatin’ny fe-potoana voafaritry ny lalŕna. Nanome toromarika ihany koa ny CENI-T.

Efa mandray ny andraikiny rahateo ireo sefo Fokontany manerana ny Nosy ary inoana fa afaka handray anjara amin’ny fandatsaham-bato amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka miaraka ny zoma 20 desambra 2013 ireo izay tsy afaka nanatanteraka izany. Raha ny vokatry ny fanadihadiana iray izay notanterahana teto Antananarivo renivohitra ny fiandohan’ity volana novambra ity rahateo no jerena dia misongadina ao anatin’izany fa vonona hifidy ny 76%-n’ny olom-pirenena feno taona raha tsy mieritreritra ny hanefa ny adidiny kosa ny 15% ary misalasala sy tsy mahafantatra ny fanapahan-kevitra horaisiny ny 9%. Antony maro kosa no nahatonga ireo olom-pirenena feno taona tsy nandray anjara tamin’ny 25 oktobra lasa teo : 36% tsy nahazo kara-pifidianana, 17% tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana, 13% nahita fa tsy mifanaraka amin’ny eritreriny ireo kandida nifaninana, 11% tsy nivaky loha mihitsy ary 11% hafa tsy nanam-potoana, 10% nanana fandaharam-potoana hafa, 2% tsy nanana kara-panondro ary 1% tsy navela nifidy. Tsara ihany no mampahatsiahy fa nanodidina ny 61% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT