Politique

Fifidianana eto Iarivo Hifampitady indray Ravalomanana sy Rajoelina


  • Talata 10 Septambra 2019

Anisan’ny andrasan’ny maro ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, indrindra fa ho an’ireo antoko lehibe dia ny kandidam-panjakana amin’ny alalan’ny IRD sy ny sokajiana ho mpanohitra dia ny TIM. Re fa hisy ny fanambarana hataon’i Marc Ravalomanana anio maraina. Asa na hisy fifandraisany amin’io na zavatra hafa mihitsy no hambarany.

 

 

 

 Ny azo antoka dia tsy maintsy hanana kandida ny TIM na ho izy mivantana na olon-kafa. Tsy mbola fantatra ihany koa izay ho kandidan’ny IRD na efa tamin’ny faran’ny herinandro lasa aza no nilazana fa hivoahany. Tsy maintsy hiasa ny anaran’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Ireo no heverina fa tena hifampitady eto. Hatreto, zara raha misy kandida 32 nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho ben’ny tanàna amin’ireo kaominina miisa 1695 manerana an’i Madagasikara, izany hoe zara raha misy 1,88% hatreto. 2 andro anefa sisa tsy hahataperan’ny fe-potoana satria ny alakamisy 12 septambra amin’ny 5ora hariva ny farafandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida. Efa fombantsika Malagasy ilay miandry farany kanefa mampanahy ny fahavitsiana loatra. Andrasana ny mety ho fihazakazahan’ireo kandida hanatitra ny dosieny ato anatin’ny 2 andro farany any amin’ireo OVEC miisa 114. Maro ny antony mety mahatonga izao. 3 hetsy hatramin’ny 5 tapitrisa ariary araka ny sokajin’ny kaominina ny tolo-kevitra momba ny anto-bola nataon’ny CENI ny volana jona, kanefa novaina ho 6 hetsy hatramin’ny 10 tapitrisa taty amin’ny volana aogositra. Efa nisy anefa ny 21 miliara ariary avy amin’ny kitapombolam-panjakana hanatontosana ny fifidianana, araka ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny CENI sy ny minisiteran’ny vola ny 29 aogositra lasa teo. Amin’ny lafiny miabo, mety hitsapana ny fahavononan’ny kandida sy ny tsy fanaovana andrankandrana io satria raha kely ny vola aloa dia maro no hirohotra sao mba lany. Amin’ny lafiny miiba, maro no milaza fa fanilihana tsotr’izao ireo kandida tsy manam-bola be izany, ary mifanohitra amin’ny demokrasia sy ny fifidianana malalaka handraisan’ny rehetra anjara. Ny fifidianana filoha sy ny solombavambahoaka, dia nisy ny kandida nahatsapa fa lasibatry ny hosoka sy hala-bato saingy tsy afa-nanoatra satria didy tsy azo hivalozana ny an’ny HCC. Marihina kosa fa ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovan’ny fanjakana no mandray an-tanana ny fifanolanana ara-pifidianana amin’ity. Efa tongotra mby an-dakana anefa ilay amin’ny 27 novambra izao. Mety hahamora ny fampandresena ny kandidam-panjakana sokajiana ho tena mampiasa volabe ny fahakivian’ny mpifaninana ka tombanana hisy kaominina tsy hisy kandida afa tsy tokana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT