Fifidianana eto Antananarivo

Tojo Ravalomanana no ho kandidan’ny TIM…


  • Talata 24 Septambra 2024

Andrasana ato anatin’ny roa andro farany ny fanapahan-kevitry ny Antoko TIM taorian’ny kenda

roroka natao tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay nobahanan’ny OVEC, CENI, Fitsarana, Fanjakana. Ny Filoha teo aloha izay nanitrikitrika ny sabotsy lasa teo fa tsy maintsy halain’izy ireo Antananarivo na inona na inona fanapahan-kevitry ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana. Amin’ny fomba ahoana ? Raha ny fantatra dia hanolotra kandida hafa hisolo an’i Marc Ravalomanana na « candidat de substitution » ny TIM. Anarana maro no efa nifamahofaho tao anatin’izany, fa raha ny no loharanom-baovao, dia i Tojo Ravalomanana zanaky ny filoha teo aloha lahiaivo no haroso ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Anarana efa nandeha teo aloha ny mety hanolorana an’i Maika Ravalomanana zanak’i ny Filoha teo aloha, saingy ny anaran’i Tojo Ravalomanana no nivoaka tao anatin’ny 24 ora farany. Ity farany hatreto no voalaza fa tsara toerana indrindra hisolo an-dRainy sy hitondra ny anaran’ny TIM amin’ny hazakazaka eto Antananarivo Renivohitra, raha ny loharanom-baovao hatrany. Andrasana ato anatin’ny 48ora anefa ny haha ofisialy an’io paikady faharoa na « plan B » ho an’ny TIM izay hampiteny ny anarana « Ravalomanana » io, raha ho tanteraka tokoa. Fanontaniana mbola mipetraka mantsy ny hoe : ho afaka hirotsaka malalaka tokoa ve ity farany sa mety hisy ny fahasarotana na koa ho tratry ny antsojay toa an-dRainy ? Ho tafapetraka ho ben’ny tanàna « Ravalomanana » fanintelony ve taorian’Atoa Marc Ravalomanana sy Rtoa Lalao Ravalomanana ? Raha toa tsy tafavoaka i Tojo Ravalomanana, dia anarana miisa 6 no re fa paikady fahatelo na «Plan C» manaraka an’ity zanaky ny Filoha teo aloha ity hosafidiana ho kandida, ka anisan’izany ny depiote Todisoa Andriamampandry, Hanitra Razafimanantsoa, Rina Randriamasinoro, Feno Ralambomanana,… Ny any amin’ny Antoko TIM izay fa andrasana ato anatin’ny 48 ora farany ihany koa ny firotsahan-kofidian’ireo kandida hafa satria hatramin’ny omaly dia tsy mbola nisy ankoatra ny an’ny lisitry ny kandida Marc Ravalomanana izay nolavina. Andrasana hoe : iza tokoa no ho kandidam-panjakana ? Iza no kandida tsy ampoizina mety hampitodika ny mason’Antananarivo?
Toky R
Légende : Ny fianankaviana Ravalomanana tafaverina avy any an-tsesin-tany ny 14 oktobra 2014
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT