Fifidianana eto Antananarivo

Kandida 2 no efa mangataka hisian’ny adihevitra


  • Talata 15 Oktobra 2024

Stratejika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy.

Andrasan’ny rehetra, indrindra ny mpanara-baovao ara-politika sy ny olom-pirenena ny mba hisian’ny adihevitra hahafahan’ny vahoaka mijery sy mahafantatra ny vina sy ny hevitra ary ny fomba mety hatolotry ny kandida tsirairay avy hitantanana sy hampandrosoana an’Antananarivo. Hatreto, kandida 2 izao no mangataka ny hisian’io adihevitra eo amin’ny samy kandida ho Ben'ny tanana eto Antananarivo io. Taorian'i Tahina Razafinjoelina nandritra ny fandaharana manokana nataony ny zoma 4 oktobra dia nanao antso hisian'izany koa i Ndriana Razanamasy omaly. Iry voalohany, izay nanipika sy niantso fa tokony hatodika kokoa any amin’ny resaka vina sy hevitra fa tsy olona ny mason-tsivana hisafidianana, tsy mifototra amin’ny endrika ivelany, na tsangan’olona,… Hahafahana mandrefy sy mahita ny tena fahavononan’ny tsirairay io, ka tsy ilay olona amin’ny maha olombelona azy no jerena fa ny vina sy hevitra atolony, ny sehatra nisy azy sy ny fahombiazany izay mety hahafaha-mandinika sy mamaritra ny mety ho fahombiazany amin’ny fitantanana ny Renivohitra. Ny kandida Ndriana Razanamasy kosa raha ny serasera nataony nangatahany dia ny hametrahana fitsipi-dalao mendrika ny fifidianana madio sy mangaraharaha andraisan’ny rehetra anjara ary fifidianana tena demokratika. Fomba fanao maneran-tany ny adihevitra eo amin’ireo kandida rehefa hiatrika fifidianana. Andrasana araka izany ny hisian’ny adihevitra hahitan’ny vahoakan’Antananarivo hoe : iza tokoa no mendrika hitantana ny tanàna ? Samy manana ny maha izy azy ireo saingy ny adihevitra tahaka itony dia manampy ny olom-pirenena tsy hihinana ambolony fa afaka hijery sy hitsara mahitsy hoe : Iza tokoa no tena niomana hitondra fampandrosoana amin’ny vina sy hevitra ary paikady mahomby hitantanana ny Renivohitr’i Madagasikara ka mendrika hofidiana?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT