Politique

Fifidianana eto an-drenivohitra Manilika goaika antitra ny IRD


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Anarana efatra no efa voatana amin'ireo mivezivezy fa kandidan' ny IRD ho an' Antananarivo Renivohitra, hoy i Hery Rasoamaromaka sekretera jeneralin'ny antoko TGV. Nambarany fa olom-baovao eo amin'ny tontolo politika ny ankamaroan'izy ireo.

 

 

Antony, mila olom-baovao ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) mba ahafahana mitondra fijery vaovao. Tsy voatery mpanao politika no miaraka amin'ny filoha Andry Rajoelina fa olona mahavita azy no ilaina. Manilika ireo goaika antitra izany ny IRD raha halalinina io. Andrasana izay olona afaka hifaninana amin'ny antoko Tiako I Madagasikara amin'ny fifidianana ben'ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Milaza ho vonona ny IRD amin'ny fifidianana kaominaly sy monisipaly ka tsy maintsy hametraka kandidà manerana ireo kaominina 1695 mba hahazoana ny maro an'isa. Raha ny fantatra anefa, misedra olana ny antoko amin'ny fandaminana izay napetraka ho an'izay ho kandidà noho ny fahamaroan' ireo antoko nanohana ny filoha Rajoelina tamin'ny fifidianana filoham-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT