Fifidianana depiote tao Tolagnaro

> Kandida 22 nivondrona hanao hetsi-panoherana


  • Alatsinainy 06 Janoary 2014

Naneho ny heviny tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “L’Etoile Esokaka” Tolagnaro, ny faran’ny herinandro teo ireo kandida depiote miisa 22 mianadahy lasibatry ny hala-bato tamin’ny fifidianana ny 20 desambra 2013.

Nohamafisin’izy ireo niaraka tamin’ny porofo fa nanjakan’ny hosoka sy tsy fanarahan-dalàna tany amin’ireo birao fandatsaham-bato maro manerana ireo Kaominina miisa 27 mandrafitra ny Distrikan’i Tolagnaro. Hanao hetsika manoloana ny Lapan’ny tanàna izy ireo rahampitso talata 07 janoary ho fanoherana izany. Voalazan’ireto vondrona kandida ireto fa vokatra nanjakan’ny hosoka no tonga tany amin’ny SRMV na Sampan’ny vaomiera mpanisa vato. Tsy nionona tamin’izao ihany koa izy ireo fa nametraka fitoriana narahina eo am-pelatanan’ny CES. Nambaran-dRamatoa Zafinandro Perle, filohan’ny “Hetsika Fagnomba” sady kandida ho solombavambahoaka fa matoa atao ity hetsika ity dia hanaporofoana fa diso vokatry ny fanodinkodinan’olom-bitsy ny voka-pifidianana, narahina tsy fanarahan-dalàna mihoapampana iny fifidianana ny 20 desambra teo iny. Nilaza ireto vondron’ny kandida ireto fa hotanterahina am-pilaminana miaraka amin’ny vahoaka nifidy azy avy ny hetsika. Matoky ny fahendren’ny mpitandro ny filaminana izy ireo fa tena hiaro tokoa izay filaminana izay fa tsy sanatria hanakantsakana ny fanehoan-kevitra ara-demokratika hotanterahina amin’io talata 07 janoary io.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT