Sarotra ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra nandritra ny 21 andro tao amin’ny Distrikan’i Maevatanŕna, hoy ny kandida solombavam-bahoakan’ny ankolafy Ravalomanana Rasoarimalala Georgette na Zôry Kely.
Tao anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra rahateo ny fandresehan-dahatra ireo mpifidy ka vao mainka nampitombo ny asa notontosaina izany. Teo ihany koa ireo olana samihafa tsy maintsy nosedraina tamin’ny fitetezana ireo Kaominina 17 mandrafitra ny renivohi-paritr’i Betsiboka toy ny ara-bola sy ny ara-pitaovana saingy tsy nahasakana ny fihaonana mivantana tamin’ireo olom-pirenena izany, hoy ny kandida solombavam-bahoaka Zôry Kely. Ao anatin’ny krizy moa ny ankamaroan’ny olona ao amin’ity Distrika ity nandritra izao tetezamita izao ka noho izay fahantrana izay indrindra dia nisy ireo tratry ny fakam-panahy tamin’ny fampiasan’ireo kandida sasany vola miampy tambiny hafa izay mbola olana iray hafa tsy maintsy natrehina. Na izany aza dia nijoro tamin’ny foto-keviny ny vahoakan’i Maevatanàna ka noporofoin’izy ireo tamin’ny fandatsaham-bato nomeny ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana Rasoarimalala Georgette izany. Raha ny vokatra vonjimaika nivoaka hatramin’izao moa dia nandresy tamin’ny salan’isa 40% mahery ity kandida laharana faha-4 ity mihoatra amin’ireo kandida 10 hafa ambiny. Nambarany fa laharam-pahamehana ho azy ny fidinana ifotony hihaino ny hetahetan’ny vahoaka mba hitondrany izany eny amin’ny Antenimirem-pirenenan’i Tsimbazaza. Mila vahaolana maika ihany koa aminy ny mikasika ny fitrandrahana volamena any an-toerana satria manjaka loatra ny tsy fanajana ny lalàna izay manome vahana ireo milaza ho tompony amin’ny famaritana avy hatrany ny tany. Tena voa mafy tokoa ny toe-tsain’ny mpiara-belona vokatry ny krizy lavareny ka mila arenina haingana, hoy Rtoa Rasoarimalala Georgette.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.