Fifidianana depiote tao Atsimondrano

> Mazava ny fandresen-dRtoa Raharimanarivo Voahangy


  • Sabotsy 28 Desambra 2013

Taorian’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavam-bahoaka natao tamin’ny 20 desambra lasa teo, dia naneho fisaorana sy fankasitrahana ny vahoaka Malagasy rehetra indrindra ny vahoakan’Atsimondrano omaly Rtoa Raharimanarivo Voahangy izay kandida natolotry ny ankolafy Ravalomanana sy ny Antoko zanak’i Dada tao amin’ny Distrikan’Atsimondrano.

Tsy nisalasala moa izy nilaza fa maro ny tsy fanarahan-dalàna izay hita nialoha, nandritra ary tao aorian’ny fifidianana raha ny tao Atsimondrano no asian-teny ary efa eo andalam-panangonana ny porofo rehetra mahakasika izany izy ireo amin’izao fotoana izao. «Tsy vitan’ny fividianana an-kolaka ny safidim-bahoaka no nataon’ny kandida sasany, fa nisy mihintsy ny fizarana vola hifidianana kandida iray izay nitranga tamin’ny andron’ny fifidianana, manginy fotsiny ny paipaika maloto samihafa izay niseho tao aorian’ny fifidianana toy ny tsy fanomezana ny fitanana an-tsoratra na PV ho an’ny delegen’ny kandidan’ny Ankolafy Ravalomanana, ny fanahiniana nataon’ireo tompon’andraikitra sasantsasany teny anivon’ny birao fandatsaham-bato izay tsy nanao sonia ny fitanana an-tsoratra sy ny sisa». Na izany aza anefa, hoy izy dia tsy nitsanga-menatra ny Ankolafy Ravalomanana tao amin’ny Distrikan’Atsimondrano raha ny voka-pifidianana vonjimaika na teo amin’ny fifidianana filoham-pirenena izany na teo amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka no jerena, satria dia lohalaharana ny kandida Robinson Jean Louis teo amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary nazava ihany koa ny fandresen-dRamatoa Raharimanarivo Voahangy teo amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka.

Nahazo ny isam-bato betsaka faharoa tao amin’ny Distrikan’Atsimondrano ity kandida ity ary misy eo amin’ny 7 000 latsaka kely eo ho eo ny elanelam-bato azony sy ny kandidam-panjakana izay eo amin’ny laharana faha telo kanefa tsara ny manamarika fa roa no isan’ny solombavam-bahoakan’Atsimondrano eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Na dia efa mazava toy izany aza anefa hoy izy ny voka-pifidianana voaray vonjimaika dia toa mahalasa saina ihany ny mbola tsy namoahan’ny eo anivon’ny CENI-T ny voka-pifidianana mandrak’ankehitriny, kanefa raha ny fantatra dia efa tamin’ny alatsinainy 23 desambra no efa feno sy azo avokoa ny vokatra ho an’ity Distrika ity. «Efa eto am-pelatananay avokoa ny fitanana an-tsoratra rehetra tao amin’ny Distrikan’Atsimondrano, na tamin’ny fifidianana filoham-pirenena izany na tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka, koa mampitandrina izahay raha toa ka misy mitady halaim-panahy hanodinkodina ny safidim-bahoaka» hoy Rtoa Raharimanarivo Voahangy. Na izany aza anefa dia tsy handinony ihany koa ny nirary soa sy fanambinana ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, indrindra amin’izao an-katoky ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao.

 

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT