Nisehoana halatra be vata ihany koa ny famoahana ny voka-pifidianana depiote avy amin’ny Distrikan’i Miandrivazo naha kandidà anay, hoy ny depiote teo aloha Rakotoniaina Lova Marie Adrien avy any an-toerana tonga nanatitra ny antontan-taratasy fitarainana niaraka tamin’ny porofo ary vavolombelona tetsy amin’ny foiben-toeran’ny CES tetsy Ambohidahy ny 31 desambra lasa teo. Rehefa nohamarinin’ny rehetra ny vokatra navoakan’ny SRMV Miandrivazo dia nifanaraka tsara tamin’ireo PV teny am-pelatanan’ireo delege ireo. Nony tonga taty amin’ny CENI-T anefa izany, hoy izy, dia niova ny tarehimarika. Isam-bato nahatratra 1 500 no tsy hita popoka izay nalehany fa nanjavona tao anaty vokatra vonjimaika. Ny fanafoanana an’io voka-pifidianana hosoka io sy ny fifidianana iray manontolo natao ny 20 desambra teo mihitsy no takianay any Miandrivazo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.