Fifidianana depiote

Natolotra ireo Kandidan’ny Firaisankina 18 voalohany avy amin’ny TIM


  • Talata 12 Martsa 2024

Nampahafantarina omaly 11 martsa teny Faravohitra ny andiany voalohany

amin’ireo kandida ho depiote avy amin’ny Antoko TIM mirotsaka amin’ny anaran’ny Vondrona Firaisankina miisa 18. Voatazona ho kandida ny ankamaroan’ireo depiote am-perin’asa lany tamin’ny anaran’ny TIM ankoatra ny tao amin’ny Distrikan’Andramasina, Mandoto, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano. Ny ben’ny tanànan’I Sabotsy Namehana Atoa Andriamosa no kandida ao Antananarivo Avaradrano nisolo an’Atoa Gerry Andriambolaina ; ny depiote teo aloha Voahangy Raharimanarivo kosa ho an’Atsimondrano nisolo depiote Alain Ratsimbazafy ; Dr Lalaina ny any Andramasina nisolo an’i depiote Liantsoa Bina izay nisy olana tamin’ny raharaha tambavy CVO raha tsiahivina ;ny depiote teo aloha Nantenaina Andriamboavonjy no nasolo an’i Dadamôdy ao amin’ny Distrikan’i Mandoto ; ary ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro kosa no nasolo ny depiote Emilien Ramboasalama. Voatazona ho kandida avokoa izany ny depiote 5 tamin’ny 6 teto Antananarivo Renivohitra sy Antsirabe I sy II, Arivonimamo, Ambohidratrimo, Ambatondrazaka, Ampafarafaravola . Ho an’ny distrika sasany kosa dia ny ben’ny tanànan’i Betafo am-perinasa Atoa Livasoa Randriantahinamalala no kandidan’ny Firaisankina anatin’ny distrikan’i Betafo. Ankoatra ireo dia efa fantatra ihany ny kandidan’i Fianarantsoa, Anjorozobe, Faratsiho. « Mafy loatra ny fahorian’ny mpiray tanindrazana, ary potika ny firenena noho ny fitantanana tsy mahomby, ka tsy maintsy manao izay azo atao ireo kandida hahazoana fandresena. Lehibe ny adidy miandry ka tsy maintsy manao izay azo hatao mba hahafahana mandresy ; ka anjaranareo ny mifandamina sy miombona amin’ireo mpiara-dia mba hahazoana fandresena », hoy ny toromariky ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritra ny fanolorana ny taratasy na « mandat » ho manamafy ny maha kandida an’ireo 18 andiany voalohany avy amin’ny TIM mirotsaka amin’ny anaran’ny Firaisankina ireo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT