Fifidianana depiote

Manao izay danin’ny kibony ny fitondrana


  • Zoma 15 Martsa 2024

Tsy navoaka nialoha ny pitsopitsony toy ny isan’ny solombavambahoaka,

fa efa taty amin’ny 13 martsa, ary ny mikasika an’Antanimora SUD nosarahana tamin’Ambovombe izay vao nankatoavina ho lasa distrika faha-120 aza tsy hita tao anatin’ilay tatitry ny filankevitry ny minisitra momba ny famaritana ny isan’ny depiote. Lasa mivadika ho faminavinana fotsiny hoe : mihena ho iray izany ny ao Ambovombeizay nanana depiote 2 ary iray ny ao Antanimora Sud ? Vao omaly, taty amin’ny faha-14 marsa vao nolaniana tany anatin’ny filankevitry ny governemanta ny maodelin’ireo pitsopitson-taratasy ho an’ireo kandida solombavambahoaka, raha toa ka efa ny 28 martsa hatramin’ny 6 aprily ny fametrahana antontan-taratasy. Tahaka izany ihany koa ny fandaniana ny pitsopitsony arahana amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Rehefa zohiana, ny mpitondra no manao izay danin’ny kibony, manao ny mafana sy ny mangatsiaka amin’ny fifidianana, ka tiany hakarina ho 20 tapitrisa Ar ny antoka ara-bola dia ataony mba hanintsanana ny manan-kevitra fa tsy manam-bola, tiany hampiana 12 ny isan’ny depiote dia izay izany, ny olon’ny fitondrana efa misy manao propagandy mialohan’ny fotoana,… Marina fa eo ny firesahana ny pitsopitsony ara-teknika hoe : niakatra ny isan’ny mponina, fa miharihary ihany koa ny kajy politika hanomezana herijika ny volomboasary any amin’ireo toerana mety tsy ahitany rirany, raha tarafina amin’ireo distrika vao nakarina ho manana solombavambahoaka ireo. Vao aty amin’ny fanombohana dia efa betsaka ireo zavatra mampanahy, ary ny sary mitranga dia miomana hanao izay faraheriny sy ny fomba rehetra hakana ny maro an’isa hahazoana fahamarinan-toerana ny volombosary. Mbola manamafy ny ahiahy ohatra, raha miverina amin’ny lisi-pifidianana ireny karazana ampamoaka nataon’ny Lehiben’ny distrikan’i Mahajanga II izay nilaza fa marobe ireo anarana tsy nampidirin’ny komity ifotony eny amin’ny fokontany, tsy niainga avy amin’ny komity ifotony teny amin’ny fokontany kanefa dia tafiditra ho azy tany anaty lisi-pifidianana tamin’ny alalan’ny CED izay tsy manana lisitry ny olona mipetraka amin’ny fokontany,... Asa hanao indray ny ho fipetrak’ity fifidianana solombavambahoaka izay manakaiky vahoaka kokoa ity ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT