Tao anatin’ny lanonana tsotra nefa nilamina no nitokanan’ny kandidŕ solombavambahoaka (#22) ao amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo Renivohitra, Rasolojaona Tahiana na “Jaytaxx” sy ireo namany, ny foibe “Raiso ny dimy” etsy Amboditsiry.
Araka ny fanazavana nomen’ity kandidà ity dia natao indrindra ho toerana hivorian’ny mpikambana, handraisana ireo maniry te hiditra ho mpikambana, ho toerana hanovozam-baovao sy handrindrana ny fampielezan-kevitry ny kandidà “Jaytaxx” sy ny namany ary ho toeram-panangonana ny voka-pifidianana solombavambahoaka rehefa tonga ny fotoana hanatanterahana izany ity foibe vao notokanana ity. Tapa-kevitra ny hirotsaka hofidiana miaraka amin’ireto namana ireto izahay, ahitana an’i Cicine tompondaka eran-tany amin’ny tsipy kanetibe, hoy izy, satria mahatsapa fa tsy rariny intsony izao fahoriana mahazo ny vahoaka manerana ny Nosy izao, indrindra ny eto amin’ny Boriborintany faha-5 izay misy Fokontany 27. Mila fijerena toy ny efa nataon’ny fikambanana misy anay hatrizay nijoroany ny fihariana sy fampianarana, ny fanatanjahantena sy ny fotodrafitrasa iainan’ny vahoaka, hoy izy. Mila hovana tanteraka ny fanaovana politika eto amintsika satria raha tsiahivina, ny politika dia fomba sy tetika hikatsahana izay hahatsara hatrany ny vahoaka. Marina fa mila hamboarina ny lalàna maro eto amintsika ary izay no asan’ny solombavambahoaka saingy tsy tokony havela koa ny fijerena ny sosialiny izay tena hadinon’ny mpanao politika rehefa mahazo seza izy nefa izay mihitsy no anton’ny nifidianan’ireo vahoaka ireo azy. Manana traikefa amin’ny fitantanana izahay, hoy Rasolojaona Tahiana izay zanak’Amboditsiry nianatra teny Ambodivoanjo ary nitoetra teny Ivandry, ka ny fahaizanay dia atolotray tanteraka hampivoarana ny vahoakan’ity firenena Malagasy ity ka raiso ny dimy fa efa eo am-panomanana ny fandresena isika izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.