Fifidianana depiote

> Andefasana “gros bras” ireo hita fa “favori”


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013

Misy kandida matahotra ny ho resy sahady amin'izao fanaovana fampielezan-kevitra izao ka mahavita manakarama olona hihetraketraka any anaty lanonan'ny kandida hafa mihitsy.

Omaly hariva nandritra ny fety nokarakaraina kandida ho solombavambahoaka tetsy Ambohimanarina no nahitana izany tranga izany. Somary nisy olana hatrany mantsy ny lafiny fanamafisam-peo. Efa taty amin'ny fiafaran'ilay hetsika anefa vao tratra ny telo lahy izay tsy nitsahatra nanao hasomparana teo akaikin'ny ivon'ny fanamafisam-peo teo. Nanozongozona ilay trano vy no nahatratrarana azy ireo ary avy hatrany dia fantatry ny maro fa olona akaikin'ny kandida iray izay mpifaninana amin'ilay nikarakara lanonana. Rehefa nanontaniana moa izy ireo dia tsy nanaiky avy hatrany io fiampangan'ny rehetra azy io mivantana fa ankolaka ihany. Raha nianjera anefa ity trano vy ity dia azo antoka fa nitera-doza tokoa satria an'arivony ireo mpijery tao amin'ity toerana ity. Izany tokoa ve ilay demokrasia nodradradradraina tany am-piandohana fa hitondrana ity firenena ity ?

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT