FIFIDIANANA DEPIOTE AO

AVARADRANO Miala any sahady ny lalao maloto…


  • Talata 23 Aprily 2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Raha araka ny vaovao azo omaly mantsy dia misy fakana dika mitovy amin’ny kara-panondron’ireo olom-pirenena feno taona tao amin’ny Fokontany Ankadindratombo, kaominina Alasora ny faran’ny herinandro teo. 3000 Ar no sandany omena ireo olona izay manao izany ka tsy vitsy ireo nijoro vavolombelona nilaza ho nahita ireo olona nampanao izany no sady nanonona anarana mihitsy hoy ny vaovao. Toraka izany koa ny cyber izay nanaovan’ireo olona ireo dika mitovy amin’ny karapanondrony. Ny tena nampalahelo tao anatin’ity tantara ity raha araka ny fanazavan-dRandriantsoa Jimmy, kandida solombavambahoaka laharana faharoa ao anatin’ny distrikan’Avaradrano dia ny anarany no voantonona ho naniraka ireo olona nampanao izany izay nitety tokantrano mihitsy. Voatery nametraka fitoriana olon-tsy fantatra ny tenany noho izany. Mampitandrina sahady araka izany ity Ben’ny tanana ity fa raha sanatria ka kilalao maloto no ao ambadik’izao dia tena tsy hanaiky izy ireo. Ho hentitra ny vovonana firaisankina izay nanolotra anay hoy izy hanara-maso mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana mba hiarovana ny safidim-bahoaka. Farany fa tsy kely dia miantso ireo mpifaninana ihany koa izy mba hanao lalao madio. Raharaham-pirenena no hatao hoy izy fa tsy sanatria kilalao koa raha tena samy vonona hampandroso marina dia aleo hajaina ny safidim-bahoaka fa tsy ahodinkodina. Mety ho karazana paikady handavoana ny kandida matanjaka ao anatin’ny distrikan’Avaradrano ve tranga niseho tao Ankadindratombo Alasora ity sa inona marina no tena tian’ireo tsy tia filaminana hatao ? Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, kandida Solombavambahoaka lisitra faharoa ao anatin’ny distrikan’Avaradrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT