Tsy mifandanja ny fari-pananan’ireo kandida solombavambahoaka ao amin’ny faritra Amoron’i Mania araka ny zava-misy hita ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao.
Misy kandida sahy mividy olona an-tapitrisany ao Ambositra, misy anefa kandida tsy manana vola enti-mihetsika akory ka na dia afisy aza tsy ananany. Amin’ireo kandida depiote miisa 28 nirotsaka ao Ambositra dia efa misy kandida iray miaraka amin’ny antoko politika manohana kandida tsy miankina iray. Hiampy iray izany kandida hiala an-daharana izany ato ho ato, araka ny feo mandeha. Mikasika ny fananana peta-drindrina dia kandida 19 ihany no efa mametraka izany ao Ambositra. Maro amin’ireo kandida solombavambahoaka no tapi-dalan-kaleha rehefa tsy tafakatra tamin’ny fihodinana faharoa ireo kandida filoham-pirenena nianteheran’izy ireo nefa ny vola eo am-pelatanana hoenti-mihetsika tsy misy. Hita taratra amin’izany fa tsy nisy fiomanana ara-bola sy ara-moraly mihitsy ny ankamaroan’ireo mpanao politika hirotsaka depiote ireo fa niandry mana avy any amin’ireo mpanam-bola avokoa. Araka ny tombantomban’ny maro ao Ambositra dia kandida 20 ihany no mety hahazo vato mihoatra ny 1% fa ho “zéro virgule” avokoa ny ambiny.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.