FIFIDIANANA BEN’NY

TANANAN’IARIVO Mbola tsy vaky ny atody eny amin’ny OVEC


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Mbola tena mangina ny fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo Kandida hifaninana

ho Ben’ny tananan’Antananarivo hatreto. Ireo tsy ao anaty lisitra no tonga maro vonona ny hifaninana raha araka ny fanazavana azo fa ireo tafiditra anaty lisitra kosa mbola vitsy no tazana. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny OVEC Antananarivo renivohitra anefa fa 8 andro sisa dia hifarana tanteraka izany fanaterana ny taratasy filatsahan-kofidiana izany ka tsy tokony hiandry ny ora farany ireo kandida. Manjary tsy mahazo ilay 48 ora hahafahana mameno ny dosie tsy ampy mantsy izy ireo raha vao amin’ny ora farany vao tonga manatitra izany, raha ny fanazavana. Tokony hanatona ny OVEC ihany koa ireo kandida raha manana olana amin’ny fikarakarana ny dosie hoy hatrany izy. Misy mpitsara afaka manoro hevitra na manampy mantsy ao amin’izy ireo, misy ivon-ketra ihany koa, misy tompon’andraikitra avy eny anivon’ny CENI…. Nambarany moa fa ny fikarakarana ny « casier judiciaire » sy ny « certificat de nationalité » hatreto no mbola tena olana goavana ho an’ireo Kandida Ben’ny tanana.
Pati
Legende : Miandry hatrany ireo Kandida vonona ny hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanana ireo tompon’andraikitra eto amin’ny OVEC Antananarivo renivohitra !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT