Fifidianana ben’ny tanàna teto Iarivo

Kihon-dalana goavana iankinan’ny hoavin’ny firenena


  • Alarobia 15 Janoary 2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

teo anivon’ny fitsaràna misahana ny ady amin’ny fanjakàna na TAF tetsy Anosy ny alatsinainy teo. Ny kandida natolotry ny fanoherana, tamin’ny alalan’ny vondrona politika Firaisankina, Tojo Ravalomanana, moa efa nampoizina fa isan’ny hametraka izay fitoriana izay, raha tsiahivina, ary dia nametraka tokoa ho fanafoanana ny vato azon’ny kandidà natolotry ny fitondrana na IRMAR, Harilala Ramanantsoa. Nanao toy izany ho an’ny kandidà voalaza teo ihany koa, tetsy ankilany ity farany. Mbola nitory ny kandida natolotry ny fitondràna koa anefa ireo kandida hafa toy ny avy amin’ny fanoherana ihany dia ny avy amin’ny antoko politika Tia tanindrazana, Tahina Razafinjoelina, izay nangataka ny fanafoanana na «disqualification» ny fandraisan’anjaran’ity kandidà sahy nilaza ny tenany ho kandidàm-panjakana ity. Nangataka izany «disqualification» sady fanafoanana vato izany koa ny kandidà Ndriana Razanamasy. Nilaza azy ny tsy hanaiky ilay fomba filaza mahazatra hoe «Azo raisina fa tsy mitombina» na ny mitovitovy amin’izay intsony koa, tao anatin’izany rehetra izany, ny kandidan’ny Firaisankina ka dia ho hita eo indray izany izay ho adiny hoe tena tsy hanaiky hatramin’ny farany tokoa ve sa hanaiky izay ifanarahana ihany avy eo? Na izany na tsy izany dia heverina fa kihon-dalana goavana iankinan’ny hoavin’ny firenena izay mety ho vokatry ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo. Raha toa ka ho azon’izao fitondràna izao aza ny renivohitry ny nosy, moa ve azo antoka fa hivaha amin’izay avokoa ny olana rehetra mahakasika an’Antananarivo, indrindra, amin’izao hetran-trano, izay heverina fa fidiram-bola betsaka indrindra ho an’ny kaominina, ho lasa tantanan’ny fitondràna foibe izao? Azo antoka fa ilamina tanteraka ihany koa ve ny fiainam-pirenena manerana an’i Madagasikara satria tsy hiverina intsony ireo tranga niteraka krizy toy ny tamin’ny taona 1972 na 2002 sy 2009?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT