Fifidianana ben’ny tanàna sy depiote

Kasaina hatambatra amin’ny volana may…


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nanapahan’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana

na ny HCC taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Praiminisitra, fa mitohy toy ny teo aloha ny asan'ny Ben'ny Tanana sy ireo mpanolontsaina mandra-pahatongan'izay mety ho solon'izy ireo amin'ny fifidianana izay hatao amin'ity taona ity ihany. Misolo ho Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS kosa ho an'ireo kaominina maty na niala sy nametra-pialana na voatendry amin’ny andraikitra hafa ny ben’ny tanàna. Raha tsiahivina dia efa tapitra ny 10 janoary teo ny taom-piasan’ny ben’ny tanàna. Ohatran’ny nodiana adala hatrany io hatramin’izay, ka ny fifidianana depiote aza no noresahan’ny Fanjakana niainga tany amin’ny filoham-pirenena. Efa namoaka ihany koa ny Sekretera nasionalin’ny TGV, fa toerana 120 eo ao Tsimbazaza no katsahin’izy ireo alaina. Ankehitriny, misy resaka miporitsaka avy any anaty etamazaoro politikan’ny mpitondra, ka mety hatambatra ny fifidianana ben’ny tanàna sy depiote. Ny 29 may 2024 no vinavina hanatanterahana an’io, ka ny 28 martsa hatramin’ny 06 aprily no fe-potoana hametrahana ny taratasy firotsahan-kofidiana, raha ny kajikajy mandeha. Ny 11 febroary izao kosa no mety hamoahana ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy, raha io vinavina io. Mbola tsy ofisialy moa izany, fa matoa tafaporitsaka dia mety izay aloha no vinavina hatreto ka andrasana ny fivoarany. Isan’ireo mbola hatolotra indray hodinihina amin’ny fivoriana ara-potoan’ny antenimiera manomboka anio moa ny fampidiran’ny governemanta ny heviny mikasika ny lalàna lalàna 2014-020 mikasika ny fifidianana eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
MBOLA BETSAKA NY AHIAHY
Andaniny, ireo avy amin’ny etamazaoro politikan’ny mpanohitra dia samy naneho amin’ny ankampobeny fa miomana sy vonona handray anjara amin’ny fifidianana, kanefa mitaky hatrany ny fanadiovana izany : lisitra, rafitra, fitsipi-dalao,… Raha hiverenana dia 58% ny vato azon’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo, tao anatin’ny tsy fandraisan’anjaran’ireo kandida maro, rafitra tsy nahatokisan’ny rehetra,… Io izany no vokatra tsara indrindra azon’ny Antokon’ny fitondrana raha ny lojika satria efa tao anaty fifidianana mandeha ila aza mbola ny 8,2 tapitrisa tamin’ny mpifidy 11 tapitrisa tsy nisy nanome vato ho azy. Mitombina ve ny depiote 120 raha fifidianana madio sy milamina eo anatrehan’ny politikan’ny ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dRay no enti-mangataka satria ny anaran’ny Filoha am-perin’asa sy ny antokony no hoenti-miady amin’io ? Mila mailo hatrany ny mpanohitra raha tena handray anjara tokoa na ekena aza fa fifidianana manakaiky vahoaka sy mora arahi-maso kokoa io. Tsaroana tsara mantsy ny sary efa nitranga teto 5 taona lasa hoe : ny fifidianana mbola tsy vita kanefa ny Filoham-pirenena efa namoaka tany Lafrantsa fa 83 ny depiote azon’ny antokon’ny fitondrana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT