Nitondra ny heviny mikasika ny fifidianana ho ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, ireo olom-pirenena nanaovana ny fanadihadiana.
Raha atao madio sy mangarahara dia izay safidin’ny vahoaka no tokony hivoaka eo, hoy i Solofoniaina Daniel. Marina fa mila olom-baovao ny mitantana ny tanàna. Manana vina sy mamaly ny hetahetan’ny mponina ao amin’ny kaominina iadidiany ary afaka hitondra vahaolana koa. Olona manampahaizana ary tsy manana raharaha maloto tamin’ny resaka politika. Ankoatra izay, antoko matanjaka, efa niomana ela ary manana fahavononana no tokony hiatrika fifidianana Ben’ny tanàna. Tokony hatao madio, mangarahara ny fifidianana ary apetraka tsara ny fitsipika ary atao ara-dalàna ny fanarahana ny lalam-pifidianana. Rehefa madio sy eken’ny rehetra izany dia izay olona tena safidin’ny vahoaka no tokony hitondra ny tanàna, hoy izy ireo.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.