Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Mody adala, tsy taitra ny mpanao politika…


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Afaka 10 andro dia hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna, ka ny 03 aogositra no hiafarany.

 

 

 Andrasana ny didim-panjakana 90 andro mialoha izany hoe ny 28 jolay izao farafahatarany, raha tena hatao ny 28 jolay izao tokoa ny fifidianana. Asa na takon’ny CAN 2019 na ahoana fa toa tsy dia taitra firy ny mpanao politika eto amin’ny firenena. Maro ny fimenomenonana taorian’ny fifidianana roa efa nandeha izay mampametra-panontaniana amin’izao fifidianana ho avy izao hoe: tonga dia alefa tsy misy an-kiera ve ny fifidianana ben’ny tanàna ka izay ipoahany any indray irehetany? Ny avy amin’ny antoko TIM hatreto no nangataka fihaonana tamin’ny CENI sy naneho hevitra fa tokony diovina tanteraka aloha ny lisitra. Manaiky matoa tsy miteny avokoa ve ny hafa sa tofoka sy leo tamin’ny zava-nisy teo aloha ka aleo mangina sy tsy mandray anjara intsony satria na “azo raisina fa tsy mitombina” na “tsy ampy ny porofo”. Izao dia efa afaka mijoro sy misakana hoe: aleo aloha tsy halefa ny fifidianana raha tsy tafapetraka fitsipi-dalao mazava iraisan’ny herivelona politika samihafa vao tena miroso amin’ny fifidianana. Mangina sy tsy miteny, kanefa avy eo mimenomenona. Ny sasany aza toa tsy sahy misedra fifidianana akory, fa faly hanohitra izay azo toherina na fanjakana io na antoko ananany lonilony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT