Politique

Fifidianana ben’ny tanàna “Mety ho IRC indray fa tsy IRD intsony.”


  • Zoma 19 Jolay 2019

Tsy zava-baovao no miseho eny amin’ny antenimieram-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Nihari-Ni-Rencho.

 Raha mbola ny olona efa teo ihany no ho eo dia ny eo ihany no miverina. Raha ny tsy miankina no milaza hoe tsy manao politika dia politika no ataony. Raha iverenana ny tantaram-pirenena dia nirona ho an’ny fitondrana foana ireo, hoy izy. Efa tsy misy intsony ny demokrasia eto Madagasikara. Izany no mahatonga anay hery afovoany na “Centriste” hijery kokoa ny maha olona. Tsy misy antenaina amin’ny antenimieram-pirenena fa ny andrasana kosa dia mba hanatanterahany ny praograman’ny fitondrana. Any amin’ny kaominaly angamba, hoy izy, dia ho teraka indray ny IRC na hoe isika rehetra “commune” miaraka amin’ny fitondrana. Teo mantsy hoy izy hoe isika rehetra distrika. Amin’izao fifidianana manaraka izao tokony hasiana “contrat programme” mihitsy dia rehefa tsy tanteraka dia mandeha ny fitoriana sy fitsarana. Aiza no hisy hoe monina any Antsiranana dia eto Antananarivo, ohatra, hoy izy, no milatsaka ho ben’ny tanàna ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT