Maro ireo kandida no efa nilaza fa hirotsaka hofidiana ben’ny tanàna.
Hatramin’ny anio anefa, 6 andro nisokafan’ny fanaterana ny antontan-taratasin-kofidiana dia mbola kandida tokana ihany aloha hatreto no naneho ny fahavononany ary nanatitra ny taratasiny teny anivon’ny Ovec teny Nanisana, ny alakamisy lasa teo, dia ny antoko APM na “Antoko Politika Madio” izany. Nambaran’ireo tompon’andraikitra misahana ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida eo anivon’ny distrika, teny Nanisana, dia mbola mangina aloha hatreto ny fanaterana izany ary tsy mbola nisy kandida nanatitra taratasy koa teny hatramin’ny omaly. Ireo kandida hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra no mbola andrasana amin’izao, raha ny fanazavana. Voalaza fa misy antoko politika no mbola sahirana mitady olona hatolotra. 13 ny distrika mandrafitra ny faritra Analamanga, saingy, mbola nisy tsy nametraka ny taratasiny ireo efa nilaza fa ho kandida. Naka ny andinindininy sy ny taratasy ilaina no efa nisy nanontany teny amin’ny Ovec teny Nanisana, hoy hatrany ny fanazavana voaray.Mitovitovy amin’izay ihany koa ny eny amin’ireo Ovec maro na eto Antananarivo sy ny manodidina io na any amin’ny faritra.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.