Fifidianana ben’ny tanàna

Manga araka ny filazan’ny CENI tokoa ve ny lanitra ?


  • Talata 10 Desambra 2024

Fifidianana tsara omana andraisan’ny rehetra anjara no filamatra amin’ity zotram-pifidianana, hoy ny Filohan’ny CENI

Atoa Dama Andrianarisedo omaly. Nambarany fa tsara omana satria tomombana araka ny tokony ho izy avokoa ny sahan’asa rehetra natao tao anatin’ny fanomanana. Totosa araka ny fotoana napetraka ny fanapariahana eny amin’ny Birao fandatsaham-bato rehetra ireo fitaovana rehetra ilaina. Efa vita ny fanofanana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongana. Nambara fa andraisan’ny rehetra anjara amin’ny fampandrosoana ny faritra misy azy izao fifidianana izao amin’ny maha manakaiky vahoaka azy, ka nilazana fa izany indrindra no nanomezana vahana ny fanomezana « ordonnance » ireo tokony ho afaka hisitraka, mba hahazoany misoratra anarana. Zo fototra ny fidirana anaty lisitry ny mpifidy, ary tsy hanavahana firehana ara-politika ny fanomezana taratasy fanamarinana ny tsy maha ao anaty lisi-pifidianana. Nilaza io Filohan’ny CENI io, fa tsy hisy mihitsy ny anarana miverimberina na « doublon » vokatry ny fanomezana ny « ordonnance ». Nambara fa manao ezaka manokana hahafahana misitraka kara-pifidianana ara-potoana ny CENI ka tsy tokony hisy hampiahiahy. Hiavaka moa ny lisitry ny mpifidy, ka misy ny lisitra nifarana tamin’ny 15 mey, ary misy ny avy amin’ny ordonnance izay mahatratra 68 000 mahery manerana ny Nosy, ka ny 45 000 mahery ho an’ny Faritanin’Antananarivo. Na eo aza ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI fa tsy hanavahana firehana ny nanomezana « ordonnance » nahafahana nisoratra ao anaty lisitra, dia efa nisy ny filazan’io rafitra io ny zoma teo, fa nisy ny fangatahana faobe nekena dia ny avy amin’ny sefom-pokontany. Moa tena tsy mitanila ny sefom-pokontany rehetra fa mandeha mahitsy ? Moa tsy betsaka ny toerana nesorina ny sefom-pokontany tsy TGV na tsy dia nahombiazan’ny antokon’ny fitondrana tamin’ny fifidianana farany teo ny faritra iadidiany ? Moa tsy misy sefom-pokontany nandrahona mivantana na ankolaka toy ny teto Antananarivo fa tsy mahazo ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana rehefa tsy manohana ny kandidan’izy ireo ? Ary mby aiza ny tohin’ny fangatahan’ireo kandida ny hanomezana azy ireo ny lisi-pifidianana feno hisian’ny mangaraharaha ? Inona tokoa moa no tsy hanomezana an’ireny raha tena tsy misy zavatra hafenina sy mety ho ambadika politika avo lenta marina ? Entanina hatrany ny olom-pirenena ho mailo sy tena hijoro ary ho sarotiny amin’ny safidiny eo anatrehan’ny teti-dratsy samihafa ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT