Fifidianana ben’ny tanàna

Manahy ny fampiasana « ordonnance » hanaovana hala-bato ny TIM


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Nanamafy ny ahiahiny mikasika ny fifidianana ho avy indray ny Antoko TIM

tamin’ny alalan’Atoa Marc Ravalomanana filoha mpanorina azy. Niazo ny Foiben’ny CENI izy ireo omaly, ka naneho fa misy zavatra tsy mazava sy mampiahiahy dia hanokafana ny lisitry ny mpifidy. Efa nofaranana tamin’ny 15 mey ka nahoana no sokafana indray ? hoy ny Filoha teo aloha. Nangata-panazavana noho izany ny TIM, ka nahazo valin-teny tamin’ny CENI fa hafa ny fanokafana ny lisitra, fa misy olona manodidina ny 3 600 000 tokony mbola ho afaka hifidy. « Nifanaraka fa hanaraka tsara ny dingana, fa kosa ilay « ordonnance » azo dia ahafahana mandeha mifidy. Samihafa satria ilay « ordonnance » iny dia ahafahan’ny olona misoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy, fa tsy hoe : iny no hahafahana entina mifidy », raha ny filazan’i Marc Ravalomanana. Voafaritry ny adininy faha-42 amin’ny lalàna 2018-008 mifehy ny Fifidianana eto amintsika moa ny fahafahana miditra anaty lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny Didy hitsivolana »na « ordonnance » avy amin’ny Fitsarana, ka nilazan’ny TIM fa tsy mandà izany izy ireo satria fampiharana ny andininy faha-42. Nitondra ny soso-kevitra mba hisorohana ny mety ho fampiasana ity « ordonnance » ity hanaovana hosoka sy hala-bato amin’ny Fifidianana toy ny mety hahafahan’ny olona iray hifidy im-betsaka sy ny hahafahan’ny olona avy any amin’ny Kaominina hafa hifidy any amin’ny Kaominina hafa noho izany ny TIM, ka nilaza fa : ekena ny mbola hahafahan’ireo olona manan-jo hifidy hisoratra anarana ao anaty Lisi-pifidianana amin’nyalalan’ny Ordonnance avoakan’ny Fitsarana, kanefa tokony hoferana ny fe-potoana hanaovanaizany : ohatra hatramin’ny 15 na 30 Novambra 2024 ; Tsy azo ekena kosa ny fampiasana ny ordonnance Electorale hahazoana hifidy amin’ny andron’ny latsa-bato satria tsy ara-dalàna izany ary mety ho fitaovanahampiasaina hanaovana hosoka amin’ny Fifidianana ; Tokony hizotra ara-dalàna sy ara-drariny ka tsy hisyfanavakavahana sy fanilikilihana ara-politika nyfanomezana ireo taratasy ilaina avy eny amin’nyFokontany sy ny CENI hahazoan’ny olona nyordonnance eny amin’ny Fitsarana hisoratany anaranaao anaty Lisim-pifidianana.
Toky R

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT