Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Mametraka fepetra hentitra ny TIM


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Miantso ny mpikatroka manerana ny Nosy hiakatra eto Antananarivo ny antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM ny 12-13 jolay izao

 

 

 

hiatrika ny Kongresy lehibe eny amin’ny Magro Tanjombato hanamafy amin’ny fomba ofisialy ny maha mpanohitra azy. Hanitsy ny lamina sy rafitra ao anatin’ny antoko noho ny fiovana maro tao anatin’ny 5 taona. Io no rafitra mpanapa-kevitra ambony indrindra, ka mety hisy fiovan’ny mpitantana sy ny rafitra na ny sata sy ny fitsipika hentitra kokoa hisian’ny tena etika politika toy ny tsy famadihana palitao, hoy ny Sekretera jeneraly Olga Ramalason omaly. Milaza hipetraka ho modely rahateo ny TIM. Entina hanomezana hery sy aina vaovao ho an’ny antoko taorian’ny fifidianana, ary hanomanana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fomba isafidianana ireo kandida,….  Matanjaka sy manana ny maha izy azy ny TIM ka mila haseho izay heriny izay. Raha misy miezaka mivoy ny resaka valim-pifidianana teo dia aoka hazava fa tsy resy fa nangalarana ny TIM. Tena nisy ny hala-bato sy fanodinkodinana safidim-bahoaka tamin’ireo fifidianana miisa roa, ary sahinay ny miteny fa tena tsy izy mihitsy ireny, hoy hatrany i Olga Ramalason. Nohamafisiny ny hoe: nisy kara-panondro misy 1 tapitrisa mitovy kanefa olona samihafa no tompony, mpikambana latsaka tao anaty lisitra kanefa tao tamin’ny fifidianana filoha,...

Ahitsy aloha ny lisi-pifidianana

Hentitra ny Sekretera jeneralin’ny TIM nilaza fa mila ahitsy aloha io lisitra io, ary mila saziana ihany koa ireo nanao ny tsy mety, toy ireo tompon’andraikitra ara-panjakana namoaka ireo kara-panondro 1 tapitrisa tsy avy amin’ny trano pritim-pirenena, ireo nanala ireo tao anaty lisitra lasa tsy ao,… Raha ohatra ka tsy miova ny lisitra, ary tsy hahitsy ireny tsy mety rehetra fototry ny hosoka sy hala-bato ireny, dia mety tsy hiditra sy tsy handray anjara amin’ny fifidianana ny TIM, hoy izy. Baiko midina sy teritery, hoy izy, no nahatonga ny CENI sy HCC nandray fanapahan-kevitra politika tamin’ny fifidianana izay tsy mifanaraka amin’ny tena marina. Nohararaotina ilay hoe didy tsy azo hivalozana. Tsy ilaina ny fifidianana raha toa ka tsy nitsara akory ny fitarainana marobe hatrany amin’ny 684 ny HCC, ary tsy mila fifidianana raha tsy hisy ny fanitsiana ny tsy mety fa aleo  tonga dia tendrena sy apetraka izay olona tian’ny mpitondra atao eo, hoy ny TIM.

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT