Fifidianana ben’ny tanàna

Mafana ny adihevitra mikasika an’Antananarivo


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Raha ny tolokevitrana volavolana tetiandro natolotry ny CENI na vaomiera mahaleotena

misahana ny fifidianana tamin’ny volana febroary moa dia ny alarobia 6 novambra izao no heverin’izy ireo fa fotoana mety tsara hanatontosana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna manerana an’ireo kaominina miisa 1695 eto Madagasikara. Manomboka mafana ankehitriny ny adihevitra mikasika an’Antananarivo, amin’ny maha renivohitry ny nosy azy. Azo atao hoe nisantatra ny fahavononany handray anjara amin’izany moa ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Madagascar Airlines teo aloha, Rinah Rakotomanga, izay azo ambara ihany koa hoe tanan-kavanan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritry ny fotoana maro kanefa moa tamin’ity dia nilaza izy fa hirotsaka amin’ny anarany manokana. Isan’ny vinanian’ny mpanara-baovao hirotsaka ho isan’izay mpifaninana haka ny fanalahidin’ny lapan’ny tanàna izay ihany koa ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny haino aman-jery, Andry Raobelina, sy Tahina Razafinjoelina. Ity farany moa nanambara omaly fa miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny antoko politika sy vovonana politika izay tarihiny, dia ny Tia tanindrazana sy Firaisankinan’ny tia tanindrazana, izany. Noheverina ho ivon’ny adilahy politika foana hatramin’izay ny tanànantsika, hoy ny efa nanao fanambarana fa ho isan’ny kandida, ka aleo ovaina izany fomba fijery izany. Ovaina mihitsy, hoy izy, ny lazan’ny tanànantsika ka mila ny fifanomezan-tanan’ny rehetra. Fomba fanehoan-kevitra na hoe «langage» tsy dia vaovao teo amin’ny tantaran’ny fifidianana teto Madagasikara, indrindra, ny fifidianana izay hitondra ny tanànan’Antananarivo ihany nefa no fahitan’ny mpanara-baovao azy. Ny fandresen-dahatra manohy izany no andrasana, mazava ho azy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT