Raikitra ihany ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fifidianana mpanolotsaina amin’ity taona ity taorian`ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana.
Ny olana mipetraka ankehitriny eto Madagasikara dia fifidianana ara-dalàna tahaka ny inona no havoakan`ny fifidianana hataontsika ? Tena ho azo itokisana ve ? Mbola mahabe adihevitra etsy sy eroa ny amin’ny lisitry ny mpifidy, na eo aza ny fanatsarana ataon’ny CENI amin’izao fotoana. Ahiana mbola hampihena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy koa izao fanjavozavon’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izao. Tena ho afaka misafidy marina tokoa ve ny mpifidy ka fandaharanansa tena izy no ifotorany sa tsy ho tonga hifidy izy ? Anisan’ny fifidianana akaiky ny vahoaka, indrindra ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina, miantoka ny fampandrosoana ifotony mivantana. Tsy mahatsapa na tsy resy lahatra firy izay fiovam-piainana amin’izay mpitondra na olom-boafidy ny vahoaka. Tsy hita rahateo izay fitsinjaram-pahefana tena izy amin’ny fampandrosoana mivantana eny ifotony toy ny enti-manana, ny fahaiza-manao… Mba hiraharaha ny toromarika sy ny fitakiana voarainy indrindra ao amin`ny firaisamonina sivily ve ireo mpikarakara fifidianana ? Mila etanina ny risipon`ny vahoaka ifotony amin`ny fahatokisany ny mpitondra. Eo koa ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana amin’ny maha olom-pirenena azy. Anisan’ny azo anombanana izany izay ho taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ny fifidianana, na mbola mampanahy be ihany aza. Tokony havela hanana na hanao ny safidy farany ny mpifidy na niaiky ny CENI fa nisy ny fanilihana ny safidim-bahoaka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.