Fifidianana ben’ny tanàna

Efa manomboka indray ny teti-dratsy mamohehitra…


  • Talata 29 Oktobra 2024

Mbola mitoetra hatrany ny ahiahy tsy hihavanana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Betsaka ireo tranga

mampanahy hoentina manome tombondahiny kandida na fikotrehana hala-bato mamohehitra mihitsy. Mbola mampiahiahy io resaka « ordonnance » alaina any amin’ny tribonaly hidirana anaty lisi-pifidianana io na ekena aza fa voafaritry ny lalàna. Mandeha ny ketrika dika mitovy amin’ny karapanondro hakana « ordonnance » ? Io avy eo no entina any amin’ny fokontany, saingy ahiana ho olona avy any ivelany mihitsy no ampidirina anaty lisitra sy hampifidiana any amin’ny fokontany hafa, raha ny ahiahy mitranga eto Antananarivo. Tranga efa niseho tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo io, ampiasaina ny sefo fokontany amin’ny fampidirana olona ao anaty lisitra, ary tsy antoko na vovonana politika iray ihany no ahiana amin’io fa misy sarin’ady politika sy tanjona itoviana, raha ny nambaran’ny kandida tamin’ny fifidianana farany teo naneho fa efa lasibatr’izany. Efa nisy moa ny kandida miantso ny hamoahana peta-drindrina eny amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana sy hisian’ny mangahara amin’ny fampiasana ireo bileta tokana hoe : mifanaraka amin’ny toerana ve ? Firy no nampiasaina dia firy ny ambiny ? Ny hamoahana ho hitam-bahoaka ny vokatra eny amin’ny birao fandatsaham-bato,… Hamaly izany ve ny CENI ? Fahita sy fandre eto Antananarivo Renivohitra rahateo ny fisiana tsindry sy baiko avy amin’ny olom-boafidy sasany mikasika ny sefom-pokontany. Tranga efa niseho teto tamin’ny fifidianana depiote farany teo ny fanangonana karapanondro sy kara-pifidianan’olona, ary manomboka miseho indray izany, toy ny tranga etsy Alasora, raha ny ampamoaka mandeha. Ny fokontany no mikirakira ny kara-pifidianana zaraina amin’ny vahoaka, mahalala ny mafana sy ny mangatsiaka eny amin’ny fiarahamonina, mahafantatra ny zava-misy sy ny toetoetry ny mponina sy ny mpifidy,… Manamafy ny ahiany ny fanombohan’ny fanoloana sefom-ponkontany indray amin’izao ankatoky ny fifidianana, tetika efa fanao raha tsy hilaza afatsy ny tao amin’ny distrikan’i Betafo, Arivonimamo,… nialohan’ny fifidianana depiote farany teo. Ao amin’ny Kaominina Ambonivohitr’i Morondava, ohatra, nongotana manta avokoa ny sefom-pokontany 12/18 tsy nandresen’ny kandidam-panjakana tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Mety ho ampahany io fa betsaka no toy izany.
FAMPITANILANA SY TSINDRY AMIN’NY MPIASAM-PANJAKANA
Ao anatin’ny rafitra itantanana ny raharaham-panjakana ny fokontany izay eo ambany fiahian’ny distrika sy ny prefektiora, ary ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra fa iantohan’ny fitondram-panjakana ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fanabeazana, ny fitsarana, ny tafika,… amin’ny politika. Tena voahaja ve io amin’izao fotoana izao ? Fahita sy fandre ary zava-misy rehefa vanim-potoanan’ny fifidianana ihany koa mantsy ny fanerena ireo mpiasam-panjakana na ireo hiditra ho mpiasam-panjakana toy ny mpampianatra, mpiasan’ny fahasalamana,… hiandany ara-politika. Farany teo aza dia nisy ny fampanantenana ireo mpampianatra FRAM tamin’ny faritra sasany hampidirina ho mpiasam-panjakana raha vao lany ny kandidam-panjakana kinanjo ny Fanjakana foibe aza nanapaka fa tsy misy fandraisana mpiasam-panjakana anatin’ny 6 volana afatsy ny mpitandro filaminana ihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT