Fifidianana ben’ny tanàna

Betsaka ireo fahasarotana, ahiana ny teti-dratsy maro


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio 05 septambra hatramin’ny 19 septambra ny fandraisana antontan-taratasy ho

an’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly. Hisokatra amin’ny 9ora maraina hatramin’ny 5 ora isan’andro na andro tsy fiasana aza ny sampana mpandray izany na ny OVEC manerana ireo distrika 120 manerana ny Nosy. Nametraka laharana maitso 034 30 810 01 ihany kosa ny CENI ho an’ireo mila fangataham-panazavana na fanontaniana. Na eo aza izany, mampanahy ny hisian’ny olana samihafa sy ny kajy maloto ara-politika maro amin’ity fifidianana ity. Ny governemanta izay izay manana mpifaninana no manao ny fitsipi-dalao, toy ny fampidanganana ny saram-pirotsahana izay 1 200 000 hatramin’ny 20 tapitrisa Ar. Ankoatra ny anto-bola, manahirana ireo pitsopitsony samihafa ara-bola sy ara-taratasy, tahaka ny fanamarinana ara-ketra, ny bulletin numéro 3, ny fanamarinana ny zom-pirenena,… Betsaka ny fanamarihana sy fitarainana mandeha, izay miteraka fahakiviana sy fihemorana na fialana an-daharana na any ambanivohitra io na an-tanàn-dehibe. Ny fandoavana ny hetra ho an’ireo lisitra fotsiny dia efa mety hanahirana na ireo kaominina vitsy aza ny mpanolontsaina, manginy fotsiny ny mety ho fandaniana amin’ny pitsopitsony maro. Efa niova ny lalàna, ka lisitra no hofidiana, izay vao mainka mety hiteraka olana. Raha sanatria misy iray tsy nahafeno fepetra, dia mety ny lisitra manontolo no hiara-hihintana. Mora ihany koa ny mety hilalao an’io ara-politika amin’ny mety ho fanambazana na fividianana olona ao anaty lisitry ny kandida atahorana, mba hampihintsana ny rehetra. Sary efa nitranga tamin’ny fifidianana depiote farany teo izany, izay nisiana kandida sasany lasibatra tamin’ny alalan’ireo manodidina azy, na lasibatra teo amin’ny fikarakarana ara-taratasy. Ahiana ny mety hisiana kaominina tsy hanana kandida afatsy lisitra tokana. Ara-politika, iaraha-mahalala ny zava-misy izay manaratsy endrika ny fitondrana, toy ny efa nitsipahan’ny vahoaka any amin’ireo renivohi-paritany sy tanàn-dehibe maro manerana ny Nosy ny volomboasary, ka ahiana ny mety ho kajikajy politika samihafa entina hanarenana izany amin’ny amin’ny tetika samihafa amin’io fifidianana io.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT