Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Eo anelanelan’ny 600 000Ar hatramin’ny 10 000 000Ar ny antoka ara-bola amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly, araka ny didim-panjakana mitondra ny laharana 2019-1542 navoakan’ny governemanta ny 14 aogositra teo.

 

 

 

Haverina manontolo io antoka io ho an’ny kandida ben’ny tanàna na ny lisitra mahazo 10% no ho mihoatra ihany. Fandraisana anjara amin’ny fanontana ny bileta tokana no ambara fa anton’io, ka arakaraka ny sokajin’ireo kaominina izay anto-bola izay. Ny eto Antananarivo Renivohitra no ambony indrindra. Ho an’ny tanàn-dehibe sokajy voalohany, dia 5 000 000Ar io antoka io, raha toa ka arakaraka ny isan’ny mpanolotsaina monisipaly kosa ho an’ny kaominina an-tanàn-dehibe sokajy faharoa. Raha 19 ny isan’ny mpanolotsaina, dia 2 000 000Ar ny antoka, 1 100 000Ar raha 15 izany, 1 000 000Ar raha 13 ny mpanolotsaina, 900 000Ar raha 11 ary 800 000 raha miisa 9 izany. Ho an’ny kaominina ambanivohitra kosa, dia 700 000Ar raha manana mpanolotsaina 7 ilay kaominina, ary 600 000Ar kosa raha miisa 5. Rehefa atao ny kajikajy sy ny fampitahana, dia nampitomboina avo roa heny amin’ilay tolo-kevitra nataon’ny CENI tamin’ilay fifidianana saika hatao ny 28 oktobra saingy tsy tanteraka fa izao nihemotra ho amin’ny 27 novambra izao. Ambony ny antoka mitaha amin’ny hatrizay ka andrasana ny fanehoan-kevitr’ireo antoko politika na firaisamonim-pirenena samihafa, izay efa maro no nimenomenona tamin’ny fifidianana roa izay vita satria toa lasa fitadiavam-bolan’ny fanjakana. Volam-panjakana madiodio no tokony hanatanterahana fifidianana ben’ny tanàna fa tsy miala ao anaty kitapombolan’ny SACEM. Mila hatrany amin’ny 45 miliara ariary izany, izay tokony ho efa voasoritra ao anaty tetibolam-panjakana. Tsy misy vola ve ny fanjakana ka ny kandida no hovolosana ? Mety ho endrika sivana sy fanintsanana ankolaka sahady ny kandida madinika sy hampandresena ny kandidam-panjakana io amin’ny lafiny iray.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT