Fifidianana ben’ny tanàna ao Antehiroka

Nisantatra fanaterana antotan-taratasy i Toky Mamiratra


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitr’Antehiroka

omaly ny kandida natolotry ny fikambanana Mamiratra, Andrianarivelo Toky Harilanto na Toky Mamiratra. Nilaza ny tenany fa vonona hampamiratra ireo fokontany miisa 9 ao Antehiroka ary efa vonona ao ny vina heverin’ny tenany sy ny ekipany hanatanterahana izany fampandrosoana kasain’izy ireo izany raha tahiany ka lany ity kandida tsy miankina amina firehana politika ity. Zava-dehibe, hoy izy, ny fandraisana andraikitra ho fampandrosoana ny tanindrazana ary asa ho an’ny tanindrazana no ho atao satria tena mila izany ankehitriny ny tanindrazana. Ho fanohizana ny asa sosialy nataon’ny fikambanana Mamiratra hatramin’izay no sady noho ny fangatahan’ny maro ihany koa satria maro ireo asa miandry ho fampandrosoana ireo fokontany miisa 9 ireo no tena hery nanosika ny tena handray andraikitra. Efa nilamina sy ara-dalàna avokoa, hoy hatrany ny tenany, ny antotan-taratasy rehetra mikasika izay firotsahan-kofidiana izay. Ny kandida Toky Mamiratra no nisantatra ny fanaterana antotan-taratasy ho an’ireo te hifaninana ho ben’ny tanànan’Antehiroka, hoy ihany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT