Fifidianana ben’ny tanàna

Antananarivo no fanovàna!


  • Talata 01 Oktobra 2024

Toy ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny renivohi-paritany rehetra maneran-tany

dia heverina fa stratejika be ihany koa ny mikasika ny hazakazaka ahazoana ny tanànan’Antananarivo ankehitriny. Antananarivo, izay renivohitr’i Madagasikara koa, no heverina fa maro solontenan’ireo faritra miisa 24 indrindra, raha samy renivohi-paritany eto Madagasikara no resaka, izany hoe, ankoatran’i Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana. Tsy mahagaga ihany koa, noho izany, raha, fara-faha keliny, manasaka ny isan’ireo kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo no manana fihaviana amina faritra hafa toa an’i Fandriana na Ambositra na Toliara sy ny tahaka izany hatrany. Tsy an’ny merina irery intsony i Antananarivo, hoy ny tomponandraikitry ny kaominin’Antananarivo teo aloha, Sitraka Ramanjatojaona. Antananarivo no fanovàna! Ny ankamaroan’ireo hery politika naka ny fitondrana foibe hitantanana an’i Madagasikara dia saika teto Antananarivo avokoa na tamin’ny alalan’ny fifidianana io na fanonganam-panjakana. Izay hatrany moa no nanamarika ny fipoahan’ireo krizy nifanesy toy ny tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009 ary na ny tamin’ny 2018 aza dia azo ambara fa tamin’ny alalan’Antananarivo no nanovan’ireo depiote miisa 73 tamin’izany ny fitantanana nisy teto Madagasikara. Ny zava-nisy tsy azo lavina nefa dia raha fanovàna niandrandrana fampandrosoana sy fanatsaràna ny fiainan’ny vahoakan’Antananarivo na Madagasikara iraimanontolo mihitsy no nandrasana dia tonga aty anaty fahantrana lalina isika ankehitriny. Mbola hiverina amina tantara ratsy toy izany ve nefa i Madagasikara, indrindra, i Antananarivo? Inoana fa hampiova zavatra ny mety ho fahazoan’Antananarivo ben’ny tanàna amin’ity fotoam-piasana manaraka ity, na avy amin’ny fitondrana io na avy amin’ny hery politika hafa, saingy ny tsy azo lavina aloha dia Antananarivo no fanovàna raha mbola resaka fifidianana ben’ny tanàna sy teo amin’ny tantaran’i Madagasikara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT