Omaly misandratr’andro no namoaka ny vokatra vonjimaika mikasika ireo fifidianana naverina teo anivon’ny faritanin’i Toamasina, ny teo anivon’ny vaomieram-paritra misahana ny fanaraha-maso sy fanangonam-bokatra, lanonana izay natao tao amin’ny Lapan’ny tanŕnan’i Toamasina.
Miisa 8 ireo Kaominina tsy maintsy naverina noho ny zava-niseho ny 31 jolay teo araka ny didy navoakan’ny fitsarana ny ady amin’ny fanjakana, ka miisa 2 dia Anivorano Atsinanana sy Ilaka Atsinanana ho an’ny Faritra Atsinanana, 2 tao Analanjirofo nahitana an’i Fenoarivo Atsinanana Renivohitra sy Ampasimazava Vavatenina, ary 4 tao Alaotra-Mangoro nahitana an’i Moramanga Renivohitra, Manakambahiny, Andilamena ary Tsaravinany Anosibe an’ala. Ho an’ny faritra Atsinanana dia tsy hita tabilao ny antokom-panjakana HVM, satria resin’ny Mpirahalahy tao Anivorano Atsinanana, toraka izany koa tao Ilaka Atsinanana izay tanindrazan’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, izay resin’ny tsy miankina Ainga. Ny tao Analanjirofo kosa dia nisongadina ny HVM tao Fenoarivo Atsinanana sy Ampasimazava Vavatenina. Ny tao Alaotra-Mangoro kosa dia nohamafisin’ny vahoaka ny fahatokisany ny Ben’ny tanànan’i Moramanga teo aloha (PMDR). Lasan’ny HVM kosa ny tao Manakambahiny sy Tsaravinany Anosibe an’ala.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.